Moa misy zava-mahatalanjona tsy efan’i Iaveh va na inona na inona? Raha avin-taona toy izao dia hiverina aty aminao indray Aho; ary i Sarà dia hahazo zazalahy.»
Zakaria 8:6 - Baiboly Katolika Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Amin’izany andro izany, na hiseho ho zava-mahagaga aza izany eo imason’izay sisa amin’ity firenena ity, moa ho zava-mahagaga eo imasoko koa va izany.» - teny marin’i Iavehn’ny tafika? - Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Raha mahagaga izany eo imason’ny sisa tavela amin’ity firenena ity amin’izany andro izany, moa hahagaga eo imasoko koa va? hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. DIEM PROTESTANTA Dia hoy ihany Izaho TOMPOn’izao rehetra izao: Raha sarotra atao ho amin’ireo andro ireo izany ho an’ny vahoaka israelita sisa velona, dia tsy ho sarotra atao kosa izany amiko. Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no manao izany teny hentitra izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy ihany Izaho TOMPOn’izao rehetra izao: Raha sarotra atao ho amin’ireo andro ireo izany ho an’ny vahoaka israelita sisa velona, dia tsy ho sarotra atao kosa izany amiko. Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no manao izany teny hentitra izany. Baiboly Protestanta Malagasy Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Raha mahagaga izany eo imason’ny sisa amin’ity firenena ity amin’izany andro izany, moa hahagaga eo imasoko koa va? hoy Jehovah, Tompon’ny maro. Malagasy Bible Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Raha mahagaga izany eo imason'ny sisa amin'ity firenena ity amin'izany andro izany, moa hahagaga eo imasoko koa va? hoy Jehovah, Tompon'ny maro. La Bible en Malgache Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Raha mahagaga izany eo imason’ny sisa tavela amin’ity firenena ity amin’izany andro izany, moa hahagaga eo imasoko koa va? hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. |
Moa misy zava-mahatalanjona tsy efan’i Iaveh va na inona na inona? Raha avin-taona toy izao dia hiverina aty aminao indray Aho; ary i Sarà dia hahazo zazalahy.»
Fa namaly an’ity olon’Andriamanitra ilay manamboninahitra nitehenan’ny mpanjaka tamin’ny tanany, ka nanao hoe: «Aiza ka dia ho tanteraka izany; na dia hanao varavarankely amin’ny lanitra aza i Iaveh?» Dia hoy i Elisea: «Ho hitan’ny masonao izany, nefa tsy mba hihinananao.»
«Eny iky, ry Iaveh Tompo ô, Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany, tamin’ny hery lehibe sy ny sandrinao nahinjitra, tsy misy zavatra tsy hainao atao.
Nijery azy ireo i Jesoa ka nanao hoe: «Tsy hain’olombelona izany, fa vitan’Andriamanitra ny zavatra rehetra.»
fa indro ho moana ianao ka tsy hahay miteny ambara-pahatongan’izany, noho ianao tsy nino ny teniko, izay ho tanteraka amin’ny fotoan’androny.»