Izay mandeha amin’ny tsy fananan-tsiny, izay manaraka ny rariny, ka milaza ny marina ao am-pony.
Zakaria 8:16 - Baiboly Katolika Izao no zavatra tsy maintsy hotandremanareo: Samia milaza ny marina amin’ny namany avy; mamoaha fitsarana eo am-bavahadinareo araka ny marina ary mba hihavanan’ny olona; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izao no zavatra hataonareo: Samia miteny marina amin’ny namany avy ianareo; mitsarà marina, eny, mitsarà hahatonga fiadanana ao am-bavahadinareo; DIEM PROTESTANTA Izao no tsy maintsy hataonareo: samia milaza ny marina amin’ny namany avy ianareo; aoka ho didim-pitsarana ara-drariny no havoaka eo amin’ny toeram-pitsaranareo mba hahatonga fiadanana eo aminareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izao no tsy maintsy hataonareo: samia milaza ny marina amin’ny namany avy ianareo; aoka ho didim-pitsarana ara-drariny no havoaka eo amin’ny toeram-pitsaranareo mba hahatonga fiadanana eo aminareo. Baiboly Protestanta Malagasy Izao no zavatra hataonareo: Samia miteny marina amin’ny namany avy hianareo; mitsarà marina, eny, mitsarà hahatonga fiadanana ao am-bavahadinareo; Malagasy Bible Izao no zavatra hataonareo: Samia miteny marina amin'ny namany avy ianareo; mitsarà marina, eny, mitsarà hahatonga fiadanana ao am-bavahadinareo; La Bible en Malgache Izao no zavatra hataonareo: Samia miteny marina amin’ny namany avy ianareo; mitsarà marina, eny, mitsarà hahatonga fiadanana ao am-bavahadinareo; |
Izay mandeha amin’ny tsy fananan-tsiny, izay manaraka ny rariny, ka milaza ny marina ao am-pony.
Izay milaza ny marina dia milaza ny mety, fa ny vavolombelona mandainga kosa manambara fitaka.
Ny lela mpilaza ny marina haharitra mandrakizay; fa ny lela fandainga kosa, ho voakorokoro poa toy izay.
Izao no lazain’i Iaveh: «Manaova fitsarana sy fahamarinana ianareo; afaho amin’ny tanan’ny mpampahory ny ampahorîna: ny vahiny, ny kamboty, ama-mpitondratena; dia aza ratsy fitondra azy na manao an-keriny aminy, na mandatsa-dra tsy manan-tsiny amin’ity tany ity ianareo.
tsy manao zana-bola be loatra, tsy maka zana-bola, mamily ny tanany tsy hanao ratsy, mitsara marina ny an-daniny avy,
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Aoka izay, ry mpifehy eo amin’i Israely, mampihataha ny fampahoriana amam-pihinanam-bahoaka, manaova ny hitsiny sy ny rariny, esory tsy ho eo amin’ny vahoakako ny fihoràhanareo, - teny marin’ny Tompo Iaveh.-
Ankahalao ny ratsy, fa ny tsara no tiavo, ary ampanjakao eo am-bavahady indray ny rariny; angamba i Iaveh Andriamanitry ny tafika, dia hamindra fo amin’izay sisa amin’i Josefa!
Fa aoka hisononoka hoatra ny rano kosa ny fitsarana; ary toy ny ranondriaka tsy mety ritra ny fahamarinana!
Feno fahasiahana ny mpanan-karena amin’ity tanàna ity; milaza lainga ny mponina ao aminy, ary fitaka eo am-bavany fotsiny, ny lelany.
Efa nampahalalaina anao, ry olombelona izay tsara, sy izay ilain’i Iaveh aminao, dia ny hanao ny fahamarinana, ny ho tia famindram-po, ary ny hizotra eo anatrehan’ny Andriamanitrao amim-panetren-tena.
Ny sisa amin’i Israely dia tsy hanao ny tsy marina, na hilaza lainga, ary tsy hahitana eo am-bavany intsony izay lela mandainga. Fa hihinana sy handry feizay izy ireo, ary tsy hisy olona hanaitaitra azy.
Izao no nolazain’i Iavehn’ny tafika: «Manaova fitsarana marina; samia mamindra fo sy miantra ny namany avy,
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Ny fifadian-kanina amin’ny volana fahefatra, ny fifadian-kanina amin’ny fahadimy, ny fifadian-kanina amin’ny fahafito, ary ny fifadian-kanina amin’ny volana fahafolo, dia hanjary andro fifaliana amam-piravoravoana sy ho fety lehibe, ho an’ny taranak’i Jodà.»
Izao no lazain’i Iaveh: «Tafaverina eto i Siôna Aho, ka te honina eo afovoan’i Jerosalema; i Jerosalema hantsoina hoe: ny tanànan’ny fahamarinana; ary ny tendrombohitr’i Iavehn’ny tafika, hatao hoe: ny tendrombohitry ny fahamasinana.»
Koa izao àry no lazaiko sy ambarako ao amin’ny Tompo: aza manao fitondran-tenan-Jentily izay mizotra manaraka ny hevi-poanany,
Ario àry ny lainga, ka samia milaza ny marina amin’ny namany avy, fa mifampirantsam-batana avokoa isika rehetra.
ary ny tsy hisian’olona manao an-keriny na an-kafetsena amin’ny rahalahiny amin’izany raharaha izany, fa ny Tompo no mpamaly izany rehetra izany, araka ny efa voalazanay sy nasehonay marina taminareo;
Fa ny kanosa kosa, sy ny tsy mino, ny tsy valahara, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpimasy, ny mpanompo sampy, mbamin’ny mpandainga rehetra, dia any amin’ny farihy afo aman-tsolifara mirehitra no ho anjarany; izany no fahafatesana faharoa.»