Aoka hinaonaona ianareo, fa antomotra ny andron’i Iaveh: toy ny fandravana ataon’ny Tsitoha no fiaviny.
Zakaria 14:1 - Baiboly Katolika Indro misy andro ho avy ho an’i Iaveh ka ny babo aminao hozaraina eo afovoanao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Indro, hisy Andron’NY TOMPO ho avy, koa ny babo aminao dia hozaraina ao ampovoanao. DIEM PROTESTANTA Indro akaiky ny andron’ny Tompo. Ka eo imasonareo, ry mponin’i Jerosalema, no hifampizaràn’ny hafa ny fanananareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Indro akaiky ny andron’ny Tompo. Ka eo imasonareo, ry mponin’i Jerosalema, no hifampizaràn’ny hafa ny fanananareo. Baiboly Protestanta Malagasy Indro, hisy andron’i Jehovah ho avy, ka ny babo aminao hozaraina ao ampovoanao. Malagasy Bible Indro, hisy andron'i Jehovah ho avy, ka ny babo aminao hozaraina ao am-povoanao. La Bible en Malgache Indro, hisy Andron’NY TOMPO ho avy, koa ny babo aminao dia hozaraina ao ampovoanao. |
Aoka hinaonaona ianareo, fa antomotra ny andron’i Iaveh: toy ny fandravana ataon’ny Tsitoha no fiaviny.
Indro tonga ny andron’i Iaveh, andro fahalozàna, fahavinirana sy firehetam-pahatezerana, hampanjary ny tany ho efitra, sy handringana ny mpanota eo.
Satria hisy andro anankiray ho an’i Iaveh, hamelezany ny fiavonavonana rehetra sy ny fianjonanjonana rehetra, hamelezana izay misandratra rehetra, hanonganany azy:
Tsofy ao Siôna ny anjomara; ary ampanenoy ao an-tendrombohitra masina ny trômpetra. Ary aoka hangovitra ny mponina rehetra amin’ny tany, fa tonga ny andron’i Iaveh, fa efa antomotra!
Mangina eo anatrehan’ny Tompo Iaveh, fa efa akaiky ny andron’i Iaveh, satria efa nanomana sorona i Iaveh, efa nanamasina ny olo-nasainy Izy.
I Jodà koa hiady amin’i Jerosalema. Ary ho voaangona ny harena amin’ny firenena rehetra manodidina, dia volamena sy volafotsy, ary fitafiana be dia be.
Ny masoandro hanjary maizina, ary ny volana ho ra, alohan’ny hahatongavan’ny andron’ny Tompo, dia ilay sady lehibe no malaza;
Fanahin-devoly ireo, ary manao fahagagana sy mankany amin’ny mpanjakan’ny tany rehetra, mba hamory azy ho amin’ilay andro lehiben’Andriamanitra tsitoha. -