Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zakaria 14:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Indro akaiky ny andron’ny Tompo. Ka eo imasonareo, ry mponin’i Jerosalema, no hifampizaràn’ny hafa ny fanananareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Indro, hisy Andron’NY TOMPO ho avy, koa ny babo aminao dia hozaraina ao ampovoanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Indro akaiky ny andron’ny Tompo. Ka eo imasonareo, ry mponin’i Jerosalema, no hifampizaràn’ny hafa ny fanananareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Indro misy andro ho avy ho an’i Iaveh ka ny babo aminao hozaraina eo afovoanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 Indro, hisy andron’i Jehovah ho avy, ka ny babo aminao hozaraina ao ampovoanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Indro, hisy andron'i Jehovah ho avy, ka ny babo aminao hozaraina ao am-povoanao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Indro, hisy Andron’NY TOMPO ho avy, koa ny babo aminao dia hozaraina ao ampovoanao.

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 14:1
12 Rohy Ifampitohizana  

Manaova kiakiakam-pisaonana, satria akaiky ny andron’ny TOMPO; toy ny loza tsy hay tohaina no firongany avy amin’Andriamanitra Tsitoha.


Indro avy ny andron’ny TOMPO, andro ombàm-pahatezerana tsy azo ivalozana sy isehoam-pahavinirana mirehitra, ka hahatonga izany tany izany ho hay sady handringanana ny mpanota tsy ho ao intsony.


Eny, hisy andro omanin’ny TOMPOn’izao rehetra izao hitsarana ny mpirehareha sy ny mpanandra-tena ary koa ny mpiandranandrana rehetra mba ho fampietrena azy ireo:


Tsofy ny trompetra ary asio antso fanairana, ao Tsiôna tendrombohitro masina. Mangovita ianareo mponina rehetra eto amin’ity tany ity, fa avy ny andron’ny TOMPO; eny, efa akaiky izany.


Mangina eo anatrehan’ny Tompo ANDRIANANAHARY fa efa akaiky ny andro hirotsahany an-tsehatra! Efa nanomana sorona ny TOMPO, ary efa nanadio ireo olona nasainy.


Ny lehilahin’i Joda hiady mba hiaro an’i Jerosalema, ary haka ny haren’ny firenena rehetra manodidina: koa dia hangoniny ny volamena sy ny volafotsy mbamin’ireo fitafiana marobe.


hiova ho haizina ny masoandro ary ny volana ho tonga mena tahaka ny ra alohan’ny higadonan’ny andro hiavian’ny Tompo, dia ilay andro lehibe sy mamirapiratra.


Fanahin-demony manao zava-mampitolagaga ireo fanahy maloto ireo, sady mankany amin’ny mpanjaka eran’ny tany tontolo mba hamory azy ho amin’ny ady hatao amin’ilay andro lehibe hitsaran’Andriamanitra Tsitoha.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra