Nony tonga tao Bahorima ny mpanjaka, indro nisy lehilahy anankiray, atao hoe Semeià zanak’i Gerà, iray fianakaviana tamin’ny ankohonan’i Saola, nivoaka avy tao, dia nandroso izy sady nanozona,
Zakaria 12:13 - Baiboly Katolika ny fianakavian’ny taranak’i Levì manokana, ny vadin’ireo manokana; ny fianakavian’i Semeì manokana, ny vadin’ireo manokana; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 hitokana ny fianakavian’ny taranak’i Levy ary hitokana ny vadin’ireo; hitokana ny fianakavian’i Simey ary hitokana ny vadin’ireo; DIEM PROTESTANTA ny an’ny taranak’i Levỳ, lahy sy vavy samy mitokana; ny an’ny taranak’i Simey, lahy sy vavy mitokana; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ny an’ny taranak’i Levỳ, lahy sy vavy samy mitokana; ny an’ny taranak’i Simey, lahy sy vavy mitokana; Baiboly Protestanta Malagasy ny fianakavian’ny taranak’i Levy mitokana, ary ny vadin’ireo mitokana; ny fianakavian’i Simey mitokana, ary ny vadin’ireo mitokana; Malagasy Bible ny fianakavian'ny taranak'i Levy mitokana, ary ny vadin'ireo mitokana; ny fianakavian'i Simey mitokana, ary ny vadin'ireo mitokana; La Bible en Malgache hitokana ny fianakavian’ny taranak’i Levy ary hitokana ny vadin’ireo; hitokana ny fianakavian’i Simey ary hitokana ny vadin’ireo; |
Nony tonga tao Bahorima ny mpanjaka, indro nisy lehilahy anankiray, atao hoe Semeià zanak’i Gerà, iray fianakaviana tamin’ny ankohonan’i Saola, nivoaka avy tao, dia nandroso izy sady nanozona,
Tsy mba nety nikambana tamin’i Adoniasa kosa i Sadôka mpisorona, i Banaiasa zanak’i Jôiadasa, i Natàna mpaminany, i Semeià, i Reia, mbamin’ny lehilahy maherin’i Davida.
Zanaka lahin’i Semeià: i Leheta, i Zizà, i Jaosa ary i Barià, izy efatra ireo no zanaka lahin’i Semeià.
Zanaka lahin’i Fadaiasa: i Zôrôbabela sy i Semeià. Zanaka lahin’i Zôrôbabela: i Mosolama, i Hananiasa ary i Salômita, anabavin’ireo;
I Semeì nanan-janaka 16 lahy sy enim-bavy, tsy nanan-janaka maro ny rahalahiny, ary tsy nitombo toy ny zanak’i Jodà ny fianakaviany rehetra.
tamin’ny taranak’i Hemàna: i Jahiela sy i Semeià; ary tamin’ny taranak’i Iditona i Semeiàsa sy i Oziela.
Ho ao anatin’ny fisaonana ny tany, isam-pianakaviana manokana avy; ny fianakavian’ny taranak’i Davida manokana, ny vadin’ireo manokana; ny fianakavian’ny taranak’i Natàna manokana, ny vadin’ireo manokana;
ny fianakaviana sisa rehetra, samy manokana isam-pianakaviana, ary ny vadin’ireo manokana.
Ny zanak’i Merarỳ, araka ny fianakaviany, dia i Moholỳ sy i Môizy. Ireo no fokon’i Levỳ araka ny fokom-pianakaviany avy.
Ny fokon’i Lebnỳ sy ny fokon’i Semeì dia avy amin’i Gersôna ka atao hoe fokon’ny Gersônita.