Nirahin’i Iaveh ho any amin’i Davida i Natàna, ka tonga tany aminy izy, dia nanao taminy hoe: «Nisy olona roa lahy, tao amin’ity tanàna anankiray; ny iray mpanan-karena ary ny iray mahantra.
Zakaria 12:12 - Baiboly Katolika Ho ao anatin’ny fisaonana ny tany, isam-pianakaviana manokana avy; ny fianakavian’ny taranak’i Davida manokana, ny vadin’ireo manokana; ny fianakavian’ny taranak’i Natàna manokana, ny vadin’ireo manokana; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hisaona ny tany ka hitsitokantokana isam-pianakaviana: Hitokana ny fianakavian’i Davida ary hitokana ny vadin’ireo; hitokana ny fianakavian’i Natana ary hitokana ny vadin’ireo; DIEM PROTESTANTA Ary hisaona ny firenena, dia ny isam-pianakaviany avy: ny an’ny taranak’i Davida, lahy sy vavy samy mitokana; ny an’ny taranak’i Natàna, lahy sy vavy samy mitokana; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hisaona ny firenena, dia ny isam-pianakaviany avy: ny an’ny taranak’i Davida, lahy sy vavy samy mitokana; ny an’ny taranak’i Natàna, lahy sy vavy samy mitokana; Baiboly Protestanta Malagasy Ary hisaona mitsitokantokana ny tany, samy isam-pianakaviana avy: ny fianakavian’i Davida mitokana, ary ny vadin’ireo mitokana; ny fianakavian’i Natana mitokana, ary ny vadin’ireo mitokana; Malagasy Bible Ary hisaona mitsitokantokana ny tany, samy isam-pianakaviana avy: ny fianakavian'i Davida mitokana, ary ny vadin'ireo mitokana; ny fianakavian'i Natana mitokana, ary ny vadin'ireo mitokana; La Bible en Malgache Ary hisaona ny tany ka hitsitokantokana isam-pianakaviana: Hitokana ny fianakavian’i Davida ary hitokana ny vadin’ireo; hitokana ny fianakavian’i Natana ary hitokana ny vadin’ireo; |
Nirahin’i Iaveh ho any amin’i Davida i Natàna, ka tonga tany aminy izy, dia nanao taminy hoe: «Nisy olona roa lahy, tao amin’ity tanàna anankiray; ny iray mpanan-karena ary ny iray mahantra.
Nifoha iny alina iny ihany i Faraôna sy ny mpanompony mbamin’ny Ejiptianina rehetra, ka fidradradradràna lozan-tany no re eran’i Ejipta, fa tsy nisy trano tsy nisy maty.
Lazao amin’ny mpanjaka lahy sy ny mpanjaka vavy hoe: Mipetraha ianareo amin’ny tany, fa nianjera avy eny an-dohanareo ny satroboninahitrareo.
Misy feo mihahohaho any amin’ny fitoerana avo, dia fitomanian’ny zanak’i Israely mifona; fa nanimba ny lalany izy ireo, nanadino an’i Iaveh Andriamaniny. -
Reko ny fitarainan’i Efraima hoe: «Nofaizanao aho, ka voafay, toy ny vantotr’ombalahy tsy voafolaka; avereno aho, dia hiverina, satria ianao no Iaveh Andriamanitro;
Noho izany ny tany misaona, ary ny lanitra any ambony mihamainty, satria efa nolazaiko sy nokasaiko izany, ka tsy hanenenako na hitsoahako intsony.
Eho ny vahoaka, miantsoa fivoriana masina, angony ny anti-panahy, vorio ny ankizy madinika, sy ny zaza minono. Aoka ny mpampakatra handao ny efitranony, ary ny ampakarina ny trano lainy.
Amin’izany andro izany, ao Jerosalema, hisy fisaonana lehibe toy ny fisaonana tao Adadremôna, amin’ny lohasahan’i Magedao.
ny fianakavian’ny taranak’i Levì manokana, ny vadin’ireo manokana; ny fianakavian’i Semeì manokana, ny vadin’ireo manokana;
hiteny amin’ireo mpisorona ao an-tranon’i Iavehn’ny tafika mbamin’ireo mpaminany hoe: «Tokony hitomany va aho, amin’ny volana fahadimy, sy hanao fifadian-kanina, toy ny efa nataoko hatramin’ny taona maro be?»
Amin’izany dia hiseho eny an-danitra ny famantaran’ny Zanak’olona, ka handòn-tratra avokoa ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany; ary ho hitany eo ambonin’ny rahon’ny lanitra ny Zanak’olona avy, amin-kery sy voninahitra lehibe.
Aza misara-pandriana ianareo, afa-tsy amin’ny andro sasany ifanekenareo holanina amin’ny fivavahana; raha efa izany, dia miraisa indray fandrao alain’i Satana fanahy ianareo, noho ny tsy fahaizanareo mifehy tena;
Indro Izy avy eo amin’ny rahona, ka hahita Azy ny maso rehetra, na dia ny an’ireo nandefona Azy aza; ary handòn-tratra ny firenena rehetra ambonin’ny tany amin’ny fahitana Azy. Eny. Amen.