Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zakaria 12:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Ary hisaona ny firenena, dia ny isam-pianakaviany avy: ny an’ny taranak’i Davida, lahy sy vavy samy mitokana; ny an’ny taranak’i Natàna, lahy sy vavy samy mitokana;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Ary hisaona ny tany ka hitsitokantokana isam-pianakaviana: Hitokana ny fianakavian’i Davida ary hitokana ny vadin’ireo; hitokana ny fianakavian’i Natana ary hitokana ny vadin’ireo;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Ary hisaona ny firenena, dia ny isam-pianakaviany avy: ny an’ny taranak’i Davida, lahy sy vavy samy mitokana; ny an’ny taranak’i Natàna, lahy sy vavy samy mitokana;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Ho ao anatin’ny fisaonana ny tany, isam-pianakaviana manokana avy; ny fianakavian’ny taranak’i Davida manokana, ny vadin’ireo manokana; ny fianakavian’ny taranak’i Natàna manokana, ny vadin’ireo manokana;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary hisaona mitsitokantokana ny tany, samy isam-pianakaviana avy: ny fianakavian’i Davida mitokana, ary ny vadin’ireo mitokana; ny fianakavian’i Natana mitokana, ary ny vadin’ireo mitokana;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary hisaona mitsitokantokana ny tany, samy isam-pianakaviana avy: ny fianakavian'i Davida mitokana, ary ny vadin'ireo mitokana; ny fianakavian'i Natana mitokana, ary ny vadin'ireo mitokana;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Ary hisaona ny tany ka hitsitokantokana isam-pianakaviana: Hitokana ny fianakavian’i Davida ary hitokana ny vadin’ireo; hitokana ny fianakavian’i Natana ary hitokana ny vadin’ireo;

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 12:12
17 Rohy Ifampitohizana  

Naniraka an’i Natàna mpaminany ho any amin’i Davida ny TOMPO. Rehefa tonga tany aminy izy, dia nanao taminy hoe: –Nisy lehilahy roa tao amin’ny tanàna iray, ny anankiray mpanankarena ary ny anankiray mahantra.


Ireto avy no anaran’izay naterany tany Jerosalema: i Samòa sy i Sôbaba, i Natàna sy i Salômôna,


Tamin’io alina io dia nifoha ny Farao sy ny tandapany ary ny Ejiptianina rehetra fa nisy fidradradradrana mafy nanerana an’i Ejipta, satria ny trano rehetra dia nisy maty avokoa.


Lazao amin’ny mpanjaka sy ny reniny hoe: «Mipetraha amin’ny tany ianareo, satria efa nianjera avy eny an-dohanareo ny satroboninahitrareo tsara tarehy.


Injany misy feo re any an-tampon-kavoana: tsy inona izany fa ireo Israelita izay mitomany sy mitaraina mafy satria diso lalana tamin’izay nalehany ka nanadino Ahy TOMPO Andriamaniny.


Reko tsara mihitsy ny olon’i Efraîma nitaraina hoe: ‹TOMPO ô, nofaizinao izahay ary dia manaiky hofaizinao tahaka ny ombilahy tanora tsy tena folaka. Nefa ampodio aminao izahay mba hiverenanay tokoa aminao, satria Ianao, TOMPO ô, no Andriamanitray.


Noho izany, dia misaona ny tany ary mihamaizina ny lanitra any ambony. Satria Izaho no efa niteny; ka tsy hanova ny fanapahan-kevitro Aho na hihemotra amin’izany.»


Atobio miaraka ny vahoaka, manokàna fotoana hiangonana. Vorio ny antitra sy ny tanora hatramin’ny zaza minono; aoka handao ny efitranony ny mpivady vao.


Amin’izany andro izany dia hisy fisaonana lehibe ao Jerosalema, dia tahaka izay niseho tao Hadadrimôna teo amin’ny lohasahan’i Megidao.


ny an’ny taranak’i Levỳ, lahy sy vavy samy mitokana; ny an’ny taranak’i Simey, lahy sy vavy mitokana;


Ireo no voatendry hanontany ny mpisorona niasa tao amin’ny tranon’ny TOMPOn’izao rehetra izao ary hanontany ny mpaminany hoe: –Mbola hitomany sy hifady hanina amin’ny volana fahadimy toy ny efa fanaonay hatramin’ny ela ihany va izahay?


Amin’izay dia hiseho eny amin’ny habakabaka ny famantarana momba ny Zanak’olona; ka handon-tratra avokoa ny firenena rehetra eto an-tany ary hahita ny Zanak’olona tamy eo amin’ny rahon’ny habakabaka sady ombàn-kery sy voninahitra lehibe.


zafiafin’i Meleà, zafin-dohalik’i Menà, zafin-kitrokelin’i Matatà, zafim-paladian’i Natàna, ary zafin-dorian’i Davida;


Aza misara-pandriana ianareo raha tsy amin’ny vanim-potoana ifanarahanareo hatokana ho an’ny fivavahana; avy eo dia miraisa indray, sao tsy mahafehy tena ianareo ka halain’i Satàna fanahy.


Indro i Jesoa Kristy, tamy eo amin’ny rahona, ka hahita maso Azy ny olona rehetra, na dia ireo nandefona Azy aza, ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin’ny tany. Eny, izany tokoa!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra