Maro toy ny fasika eny amoron-dranomasina i Jodà sy i Israely; ary nihinana sy nisotro sy nirobiroby.
Zakaria 10:8 - Baiboly Katolika Hisiaka eny aoriana azy eny Aho, ka hanangona azy fa efa nanavotra azy; dia hihamaro toy ny efa nihamaroany indray izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hisiaka hiantso azy Aho ka hanangona azy, satria manavotra azy Aho ka mbola hihamaro toy ny efa nihamaroany ihany izy. DIEM PROTESTANTA Hiantso ny vahoakako Aho ka hanangona azy, satria efa navotako izy, ka hihamaro toy ny taloha indray. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hiantso ny vahoakako Aho ka hanangona azy, satria efa navotako izy, ka hihamaro toy ny taloha indray. Baiboly Protestanta Malagasy Hisiaka hiantso azy Aho ka hanangona azy, Fa efa nanavotra azy Aho; Ka dia mbola hihamaro toy ny efa nihamaroany ihany izy. Malagasy Bible Hisiaka hiantso azy Aho ka hanangona azy, Fa efa nanavotra azy Aho; Ka dia mbola hihamaro toy ny efa nihamaroany ihany izy. La Bible en Malgache Hisiaka hiantso azy Aho ka hanangona azy, satria manavotra azy Aho ka mbola hihamaro toy ny efa nihamaroany ihany izy. |
Maro toy ny fasika eny amoron-dranomasina i Jodà sy i Israely; ary nihinana sy nisotro sy nirobiroby.
Maro anaka sy nitombo fatratra ny zanak’i Israely, ka tonga maro be sy nahery tokoa ary nanenika ny tany.
Efa nolevoniko toy ny zavona ny fahadisoanao; ary toy ny rahona ny fahotanao; ka miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho.
«Mivoaha avy ao Babilôna, mandosira ny Kaldeanina, amin’ny hobin-kafaliana! Torio izany, ataovy antso avo koa, ampandreneso hatrany am-paran’ny tany! Lazao hoe: I Iaveh efa nanavotra an’i Jakôba mpanompony!
Manangan-tsaina ho an’ireo firenena lavitra Izy; ary misiaka miantso azy ireo, avy any am-paran’ny tany. dia indreo tonga ireny, faingana sady mailaka.
Koa hiverina ny navotan’i Iaveh; dia hiditra ao Siôna amin’ny hobim-pifaliana; firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany; ho henika azy ny fifaliana amam-piravoravoana; Lasa nandositra ny sento amam-pahoriana.-
Amin’izany andro izany, i Iaveh hisiaka ny lanitra any amin’ny fara lafin’ny onin’i Ejipta, sy ny renitantely, any amin’ny tanin’i Asiria.
Dia ho avy ireny, ka hipetraka avokoa eny amin’ny lohasaha mideza, sy eny an-tsefatsefa-karambato, any amin’ny hazo madinika milobolobo, mbamin’ny tany fiandrasana biby rehetra.
Toy ny tafiky ny lanitra, tsy azo isaina, sy toy ny fasika any amin’ny ranomasina tsy azo afàtra, no hampitomboako ny taranak’i Davida mpanompoko, sy ireo Levita manao ny fanompoana Ahy.
Hamory anao manontolo Aho, ry Jakôba ô, hangoniko izay sisa amin’i Israely; hovoriko hikambana toy ny ondry amin’ny vala izy; toy ny ondry andiany eo afovoam-bàlany no ho fisasasasan’ny olona ankabetsahany.
Ho anao koa, noho ny ran’ny fanekena taminao, no efa hamoahako ny mpifatotrao, avy ao an-davaka tsy misy rano.
Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mitondra ny mavesatra entana, fa hanamaivana anareo Aho.
Ary hoy ny Fanahy sy ny Ampakarina: Avia! Aoka izay nandre koa hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta, mbamin’izay maniry izany, ka hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina!
Nanaraka izany, dia nahita vahoaka be tsy azon’olona isaina aho, avy amin’ny firenena rehetra, sy ny fokom-pirenena ary ny fanjakana mbamin’ny samihafa fiteny rehetra, nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy ny Zanak’ondry, miakanjo fotsy sy mitana sampan-drofia.