Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zakaria 10:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Hiantso ny vahoakako Aho ka hanangona azy, satria efa navotako izy, ka hihamaro toy ny taloha indray.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Hisiaka hiantso azy Aho ka hanangona azy, satria manavotra azy Aho ka mbola hihamaro toy ny efa nihamaroany ihany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Hiantso ny vahoakako Aho ka hanangona azy, satria efa navotako izy, ka hihamaro toy ny taloha indray.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Hisiaka eny aoriana azy eny Aho, ka hanangona azy fa efa nanavotra azy; dia hihamaro toy ny efa nihamaroany indray izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Hisiaka hiantso azy Aho ka hanangona azy, Fa efa nanavotra azy Aho; Ka dia mbola hihamaro toy ny efa nihamaroany ihany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Hisiaka hiantso azy Aho ka hanangona azy, Fa efa nanavotra azy Aho; Ka dia mbola hihamaro toy ny efa nihamaroany ihany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Hisiaka hiantso azy Aho ka hanangona azy, satria manavotra azy Aho ka mbola hihamaro toy ny efa nihamaroany ihany izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 10:8
25 Rohy Ifampitohizana  

Ary ny mponin’i Joda sy i Israely dia marobe tahaka ny fasika amoron-dranomasina. Nanan-kohanina sy hosotroina ireo ka niaina finaritra.


Taorian’izany dia niteraka betsaka ny Israelita ka nihamaro fatratra sady nihanahery tokoa ka nameno ny tany.


Nofafako toy ny rahona ny fahadisoanao ary nolevoniko toy ny zavona ny fahotanao. Koa miverena amiko ianao fa efa navotako.»


Mivoaha avy ao Babilôna, mandosira avy ao Kaldea! Amin’ny horakora-pifaliana no anambarao izao vaovao mahafaly izao, hatrany amin’ny faran’ny tany; torio ary aelezo izany, ka lazao hoe: «Ny TOMPO no nanavotra ny firenen’i Jakôba mpanompony!»


Faneva famantarana no natsangan’ny TOMPO ho an’ny firenena iray any lavitra any; ka misioka ny Tompo mba hiantsoana azy avy any am-paran’ny tany. Indro izany firenena izany fa nilomay ka ho avy faingana dia faingana tokoa.


Eny, hiverina ireo nafahan’ny TOMPO ka hiditra ao Tsiôna amin’ny hobim-pandresena; ary hafaliana mandrakizay no ho hita taratra eny an-dohany, fientanana sy firavoravoana no hanenika azy fa handositra ny alahelo sy ny fisentoana!


Amin’izany andro izany ny TOMPO dia hisioka hiantso ny lalitra izay any amin’ny vinany misampana iafaran’ilay onin’i Ejipta; ary hisioka koa Izy hiantso ny renitantely izay any Asiria.


Dia indray ho avy ireny ka hipetraka eny an-tevana kisolasola sy eny an-tsefatsefa-bato ary koa eny amin’ny kirihitra rehetra eny sy eny amin’ny toerana rehetra fampisotroam-biby.


Tsia, fa ny taranak’i Davida mpanompoko sy ny an’ireo levita izay manao fanompoam-pivavahana ho Ahy dia ho maro tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra ka tsy ho hita isa. ary toy ny fasika eny amoron-dranomasina ka tsy ho hita fatra.»


Hoy ny Tompo hoe: «Hangoniko tokoa ianareo rehetra, ry taranak’i Jakôba; hovorîko tokoa ianareo sisa velona amin’ny Israely. Hatambatro ho iray tahaka ny ondry ao am-balany ianareo, tahaka ny ondry andiany eny an-tsaha fiandrasana azy no hisian’ny olona maro hifanaretsaka eto.»


Dia hoy ny Tompo hoe: «Ny aminareo kosa, ry mponin’i Tsiôna, noho ianareo nanaovako fanekempihavanana izay nohamafisina tamin’ny ran-tsorona, no efa namoahako ny mpigadranao toy ny avy tao an-davaka tsisy rano.


Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra torovana sy vesaran’ny lalàna, fa Izaho no hanome fialan-tsasatra anareo.


Ary hoy ny Fanahy Masina sy ny ampakarina hoe: «Avia!» Izay mahare, aoka hanao hoe: «Avia!» Izay mangetaheta, aoka ho avy; izay maniry ranovelona, aoka hanovo maimaimpoana amin’izany!


Taorian’izany, dia indreo hitako nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena sy ny fokom-pirenena ary ny vahoaka mbamin’ny olona samy hafa fiteny rehetra, niakanjo fotsy lava sy nitana sampan-drofia teny an-tanany. Nijoro teo anoloan’ny sezafiandrianana sy ny Zanakondry ireo,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra