Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Rota 3:10 - Baiboly Katolika

Dia hoy izy: «Hohasoavin’i Iaveh anie ianao, anaka, fa mihoatra noho ny voalohany ny fitiavanao farany, satria tsy mba nitady izay hoe tanora ianao, na manan-karena izany, na mahantra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hoy izy: Hotahìn’NY TOMPO anie ianao, anaka! Izao farany izao ianao dia nanao soa be lavitra noho ny tamin’ny voalohany, noho ny tsy nandehananao nanaraka ny zatovo, na ny mahantra, na ny manankarena.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia hoy i Bôhaza hoe: –Hotahin’ny TOMPO anie ianao, ry Rota! Ny firaiketam-po nasehonao tamin’ny fianakavian-drafozanao tamin’izao farany izao dia tsara lavitra noho ny tamin’ny voalohany; fa tsy nanaraka ireo tovolahy, na ny mahantra na ny manan-karena, ianao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia hoy i Bôhaza hoe: –Hotahin’ny TOMPO anie ianao, ry Rota! Ny firaiketam-po nasehonao tamin’ny fianakavian-drafozanao tamin’izao farany izao dia tsara lavitra noho ny tamin’ny voalohany; fa tsy nanaraka ireo tovolahy, na ny mahantra na ny manan-karena, ianao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hoy izy: Hotahin’i Jehvoah anie hianao, anaka; efa nanao soa be lavitra tamin’ny ato aoriana hianao noho ny tamin’ny voalohany, noho ny tsy nanarahanao ny zatovo, na ny malahelo, na ny manan-karena.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hoy izy: Hotahin'i Jehovah anie ianao, anaka; efa nanao soa be lavitra tamin'ny ato aoriana ianao noho ny tamin'ny voalohany, noho ny tsy nanarahanao ny zatovo, na ny malahelo, na ny manan-karena.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hoy izy: Hotahìn’NY TOMPO anie ianao, anaka! Izao farany izao ianao dia nanao soa be lavitra noho ny tamin’ny voalohany, noho ny tsy nandehananao nanaraka ny zatovo, na ny mahantra, na ny manankarena.

Jereo ny toko



Rota 3:10
8 Rohy Ifampitohizana  

«Avia ianao izay notahin’i Iaveh. Nahoana no mijanona aty ivelany ianao? Efa namboatra ny trano aho sy fitoerana ho an’ny rameva.»


Ary hoy i Nôemì tamin’ireto vinantony roa vavy: «Andeha samy mody any an-tranon-dreninareo avy ianareo. Enga anie ka hanao soa anareo i Iaveh toraky ny efa nataonareo tamin’ireo maty sy tamiko koa.


Dia hoy ny navalin’i Booza azy: «Efa nilazana avokoa ny nataonao ho an’ny rafozanao hatrizay nahafatesan’ny vadinao aho; sy ny nandaozanao ny ray aman-dreninao mbamin’ny tany nahaterahanao, ka nankanesanao atỳ amin’ny firenena tsy fantatrao akory taloha.


Ary hoy i Nôemì tamin’ity vinantony: «Hambinin’i Iaveh anie izy; fa tsy mitsahatra miantra ny velona, toy ny efa nataony tamin’ireo maty ihany koa.» Hoy i Nôemì taminy: «Havantsika akaiky io lehilahy io, sady anisan’izay mahazo manavotra antsika koa.»


Ary indro tonga avy any Betlehema i Booza, ka niteny tamin’ny mpijinja hoe: «Ho ao aminareo anie i Iaveh.»


Dia hoy izy: «Iza izato?» Ary hoy ny navaliny azy: «Izaho no Rota ankizy vavinao; mba rakofy ny ila lambanao ny ankizy vavinao, fa havana mahazo manavotra ianao.»


Dia nankany amin’i Saola i Samoela, ka hoy i Saola taminy: «Hotahin’i Iaveh anie ianao! Efa tanteraka ny tenin’i Iaveh».