Rota 1:10 - Baiboly Katolika Ary hoy izy taminy hoe: «Tsia, fa hiara-miverina aminao ho any amin’ny firenenao izahay.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy izy roa vavy tamin’i Naomy: Tsia! Hiara-miverina aminao ho any amin’ny firenenao izahay! DIEM PROTESTANTA sady nanao taminy hoe: –Mba hiaraka aminao hiverina ho any amin’ny firenenao izahay! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara sady nanao taminy hoe: –Mba hiaraka aminao hiverina ho any amin’ny firenenao izahay! Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy izy roa vavy taminy: Hiara-miverina aminao tokoa izahay ho any amin’ny firenenao. Malagasy Bible Dia hoy izy roa vavy taminy: Hiara-miverina aminao tokoa izahay ho any amin'ny firenenao. La Bible en Malgache Dia hoy izy roa vavy tamin’i Naomy: Tsia! Hiara-miverina aminao ho any amin’ny firenenao izahay! |
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Amin’izany andro izany, hisy folo lahy avy amin’ny fitenim-pirenena rehetra, ka hihazona, eny hihazona ny sisin-damban’ny Jody anankiray, ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo koa izahay, fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra!»
Fa hoy i Nôemì: «Modia, anaka, ahoana no hiarahanareo amiko? Mbola misy zazalahy mety ho vadinareo va ato an-kiboko?
Niala teo amin’ny tany nonenany izy sy ireto vinantony roa vavy, dia niainga hody any amin’ny tanin’i Jodà.
Samy hampahitan’i Iaveh fiadanana avy anie ianareo, any amin’ny tranon’izay ho vadinareo». Dia nanoroka azy ireo izy. Ary izy roa vavy kosa nanandratra ny feony, ka nitomany.