Manakorontana ny fisainan’ny firenena I Iaveh, maha-tsinontsinona ny hevitry ny vahoaka Izy.
Obadia 1:8 - Baiboly Katolika Moa amin’izany andro izany, - teny marin’i Iaveh, - tsy fongorako va ny olon-kendry ao Edôma, sy ny fahazavan-tsaina ao an-tendrombohitr’i Esao? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Moa tsy amin’izany andro izany va, hoy NY TOMPO, no hamongorako ny olon-kendry any Edoma sy hamongorako ny manan-tsaina any amin’ny tendrombohitr’i Esao? DIEM PROTESTANTA Amin’izany andro izany manko no hamongorako ireo olon-kendry ao Edôma sy ireo matsilo saina ao amin’ny tendrombohitr’i Hesao: teny hentitra avy amiko TOMPO izany! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Amin’izany andro izany manko no hamongorako ireo olon-kendry ao Edôma sy ireo matsilo saina ao amin’ny tendrombohitr’i Hesao: teny hentitra avy amiko TOMPO izany! Baiboly Protestanta Malagasy Moa tsy amin’izany andro izany va, hoy Jehovah, no hamongorako ny olon-kendry ao Edoma, Sy ny manan-tsaina ao an-tendrombohitr’i Esao? Malagasy Bible Moa tsy amin'izany andro izany va, hoy Jehovah, no hamongorako ny olon-kendry ao Edoma, Sy ny manan-tsaina ao an-tendrombohitr'i Esao? La Bible en Malgache Moa tsy amin’izany andro izany va, hoy NY TOMPO, no hamongorako ny olon-kendry any Edoma sy hamongorako ny manan-tsaina any amin’ny tendrombohitr’i Esao? |
Manakorontana ny fisainan’ny firenena I Iaveh, maha-tsinontsinona ny hevitry ny vahoaka Izy.
Ny mpanapaka an’i Tanisy adala foana; ny an’ireo hendry amin’ny mpanolo-tsain’i Faraôna dia hadalana ny toroheviny. Ahoana no ahasahianareo milaza amin’i Faraôna hoe: Zanak’olon-kendry aho, taranak’andriana fahagola aho?
Aiza moa izay olon-kendrinao? ka aoka hambarany aminao ary aoka hovinanîny izay nodidian’i Iavehn’ny tafika hanjò an’i Ejipta!
Ny fanahin’i Ejipta ho foana ao anatiny; ary ny fisainany hataoko very; hanontaniany ny mpimasy ama-mpanao fankatoavana, mbamin’ny mpamoha angatra ama-mpisikidy.
noho izany mbola hanohy ny fanaovana zava-mahagaga Aho, amin’izany vahoaka izany, dia zava-mahagaga tsy fahita, tsy fahita amin’ity firenena ity. Ka ny fahendren’ny olon-kendriny ho foana, ary ny fahazavan-tsain’ny mpampianatra azy hihamaizina».