Nanomboka nanao izany i Nôe: notanterahiny daholo izay rehetra nasain’Andriamanitra nataony.
Nomery 9:5 - Baiboly Katolika Ka tamin’ny andro faha 14n’ny volana voalohany, tamin’ny àty takariva dia nanao ny Paka tany an’efitra Sinaia izy ireo. Notanterahin’ny zanak’i Israely avokoa izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nitandrina ny Paska tany amin’ny tany efitr’i Sinay izy tamin’ny harivan’ny andro fahefatra amby folo tamin’ny volana voalohany; araka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy no nataon’ny Zanak’Israely. DIEM PROTESTANTA dia nankalaza ny Paska tany an-taniefitr’i Sinay ireo ny harivan’ny andro faha-14 tamin’ny volana voalohany. Nataon’ny Israelita araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia nankalaza ny Paska tany an-taniefitr’i Sinay ireo ny harivan’ny andro faha-14 tamin’ny volana voalohany. Nataon’ny Israelita araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy izany. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nitandrina ny Paska tany an-efitr’i Sinay izy tamin’ny harivan’ny andro fahefatra ambin’ny folo tamin’ny volana voalohany; araka izay rehetra efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy no nataon’ny Zanak’Isiraely. Malagasy Bible Dia nitandrina ny Paska tany an-efitr'i Sinay izy tamin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataon'ny Zanak'Isiraely. La Bible en Malgache Dia nitandrina ny Paska tany amin’ny tany efitr’i Sinay izy tamin’ny harivan’ny andro fahefatra amby folo tamin’ny volana voalohany; araka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy no nataon’ny Zanak’Israely. |
Nanomboka nanao izany i Nôe: notanterahiny daholo izay rehetra nasain’Andriamanitra nataony.
Dia nataon’ny zanak’i Israely rehetra izay nandidian’i Iaveh an’i Môizy sy i Aarôna; izany no nataony.
Dia vita ny zavatra rehetra momba ny Fonenana, ny trano lay fihaonana; sady tanteraky ny zanak’i Israely araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy avokoa. Izany no nataony.
Vitan’ny zanak’i Israely izany asa rehetra izany, araka izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
Dia notanterahin’ny zanak’i Israely avokoa izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy; nataony izany.
Dia nataon’i Môizy sy i Aarôna mbamin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra tamin’ny Levita, izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy momba ny Levita; izany no nataon’ny zanak’i Israely tamin’izy ireo.
ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»
Tamin’ny taona fahefapolo, volana faharaika ambin’ny folo, andro voalohan’ny volana, dia niteny tamin’ny zanak’i Israely i Môizy, araka izay rehetra nodidian’i Iaveh holazainy amin’izy ireo,
Efa notoroako didy amam-pitsipika ianareo araka ny nandidian’i Iaveh ahy hitandremanareo izany any amin’ny tany hidiranareo hanananareo azy.
Ny finoana no naneken’i Abrahama ny fiantsoan’Andriamanitra azy, handeha ho any amin’ny tany izay horaisiny ho lova, ka niainga izy nefa tsy fantany akory izay halehany.
Ary i Môizy dia nahatoky tao amin’ny tranony rehetra toy ny mpanompo fotsiny, mba hanambara ny zavatra tsy maintsy holazaina;
Nitoby tao Galgalà ny zanak’i Israely, dia nanao ny Paka, tamin’ny andro faha-14n’ny volana, rehefa harivariva ny andro, teo an-tany lemak’i Jerikô.