Nomery 5:18 - Baiboly Katolika Hasain’ny mpisorona mitsangana eo anatrehan’i Iaveh ny vehivavy, harakarakany ny volon-dohan-dravehivavy, ary hataony eo an-tanany ny fanati-pahatsiarovana, fanati-piahiahiana izany. Ary ho eo an-tanan’izy mpisorona kosa ny rano mangidy mitondra ozona. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hatsangan’ny mpisorona eo anatrehan’NY TOMPO Ravehivavy ka harakarakany ny volon-dohan-dRavehivavy, ary hataony eo an-tanany ny fanati-pahatsiarovana, dia ny fanatitra noho ny ahiahy; ho eo an-tanan’ny mpisorona ny rano mangidy izay mitondra ozona. DIEM PROTESTANTA Harakorakon’ny mpisorona ny volon’ilay vehivavy miseho eo anatrehan’ny TOMPO, ary hapetrany eo am-pelatanany ny fanati-piampangana, izany hoe ny fanati-pahasarotam-piaro. Fa ny mpisorona kosa hitana ny rano mangidy izay mitondra ozona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Harakorakon’ny mpisorona ny volon’ilay vehivavy miseho eo anatrehan’ny TOMPO, ary hapetrany eo am-pelatanany ny fanati-piampangana, izany hoe ny fanati-pahasarotam-piaro. Fa ny mpisorona kosa hitana ny rano mangidy izay mitondra ozona. Baiboly Protestanta Malagasy ary ravehivavy dia hampitoeran’ny mpisorona eo anatrehan’i Jehovah, ka harakarakany ny volon-dohan-dravehivavy, ary hataony eo an-tànany ny fanati-pahatsiarovana, dia ny fanatitra noho ny ahiahy; ary ho eo an-tànan’ny mpisorona ny ranom-pangidiana izay mitondra ozona; Malagasy Bible ary ravehivavy dia hampitoeran'ny mpisorona eo anatrehan'i Jehovah, ka harakarakany ny volondohan-dravehivavy, ary hataony eo an-tànany ny fanati-pahatsiarovana, dia ny fanatitra noho ny ahiahy; ary ho eo an-tànan'ny mpisorona ny ranom-pangidiana izay mitondra ozona; La Bible en Malgache Ary hatsangan’ny mpisorona eo anatrehan’NY TOMPO Ravehivavy ka harakarakany ny volon-dohan-dRavehivavy, ary hataony eo an-tanany ny fanati-pahatsiarovana, dia ny fanatitra noho ny ahiahy; ho eo an-tanan’ny mpisorona ny rano mangidy izay mitondra ozona. |
Ka hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy izay fandrika sy harato ny fony; ary famatorana ny tanany; izay matahotra an’Andriamanitra afa-mandositra azy; fa ny mpanota kosa hosingorany.
koa indro manjary fiadanana ho ahy ny mangidy mafy indrindra. Nanesotra ny fanahiko Ianao, teo amin’ny lavaka famoizana; narianao any ivohonao ny fahotako rehetra.
Ny haratsianao no mamely anao, ary ny fiodinanao no manafay anao. Koa fantaro sy jereo, fa ratsy sady mangidy manao ahoana, ny nahafoizanao an’i Iaveh Andriamanitrao, sy ny tsy nanananao tahotra Ahy kely akory, - teny marin’ny Tompo Iavehn’ny tafika. -
Izay boka ferena dia hanao fitafiana norovitina, ny volony harakarakany, ny volombavany hosaronany, ary izy hiantsoantso hoe: Maloto e! Maloto e!
dia hoentin’ny lahy ho eo amin’ny mpisorona ny vadiny, ka hitondra fanatitra noho ny amin’ny vavy izy, dia lafarina orja ampahafolon’ny efah, tsy hanidinana diloilo izany na hasiana emboka manitra, satria fanati-piahiahiana, fanati-pahatsiarovana, mampahatsiaro heloka io.
dia haka rano masina amin’ny lovia tany ny mpisorona ka hasiany vovoka nalainy avy amin’ny tanin’ny Fonenana ny rano.
Dia handidy an-dravehivavy ny mpisorona, ka hanao aminy hoe: Raha tsy nisy lehilahy nandry taminao, ka tsy nivily hanao fahalotoana ianao, raha mbola eo am-pelatanan’ny vadinao dia afàha amin’ity rano mangidy mitondra ozona ity ianao.
ary aoka ity rano mitondra ozona ity no hiditra ao an-kibonao, ka hampivonto ny kibonao sy hampifezaka ny ilanao.› Dia hiteny ravehivavy hanao hoe: ‹Amen, amen.›
fa raha vehivavy kosa no lava volo dia voninahitra ho azy izany, satria ny volo no natao ho saron-dohany.
Raha tsy hisaron-doha ny vehivavy, dia aoka hihety izy; ary raha mahamenatra azy ny mihety na mihara-bolo, dia aoka hisaron-doha izy.
Aoka tsy hisy amin’izay mandre ny tenin’ity fianianana ity, hihambo anakampony manao hoe: Hiadana ihany aho, na dia mandeha manaraka ny ditran’ny foko aza; ka dia ho voatariky ny efa leony izay mangetaheta.
Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrian’ny mpivady fa hohelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona.
Ka hoy i Samoela: «Ento mankatỳ amiko i Agaga mpanjakan’i Amaleka». Miramirana endrika i Agaga nanatona azy, fa hoy i Agaga: «Lasa tokoa ny ngidin’ny fahafatesana!»