Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 13:45 - Baiboly Katolika

45 Izay boka ferena dia hanao fitafiana norovitina, ny volony harakarakany, ny volombavany hosaronany, ary izy hiantsoantso hoe: Maloto e! Maloto e!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

45 Lamba rovitra no ho fitafian’ny olona izay efa tena boka ary hisaritaka ny volony dia hisarom-bava izy sady hiantsoantso hoe: Maloto e! Maloto e!

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

45 «Ny olona voan’ny aretin-koditra dia hanao fitafiana voatriatra sy hampirakaraka volo ary hisarom-bava sady hiantsoantso hoe: ‹Maloto aho! Maloto aho!›

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

45 «Ny olona voan’ny aretin-koditra dia hanao fitafiana voatriatra sy hampirakaraka volo ary hisarom-bava sady hiantsoantso hoe: ‹Maloto aho! Maloto aho!›

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

45 Ary ny amin’izay efa boka mihitsy, dia lamba triatra no ho fitafiany, ary hirakaraka ny volony, dia hisarom-bava izy sady hiantsoantso hoe: Maloto e! maloto e!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

45 Ary ny amin'izay efa boka mihitsy, dia lamba triatra no ho fitafiany, ary hirakaraka ny volony, dia hisarom-bava izy sady hiantsoantso hoe: Maloto e! maloto e!

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

45 Lamba rovitra no ho fitafian’ny olona izay efa tena boka ary hisaritaka ny volony dia hisarom-bava izy sady hiantsoantso hoe: Maloto e! Maloto e!

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 13:45
24 Rohy Ifampitohizana  

Niverina nankeo amin’ilay lavaka i Robena, ka indro fa tsy tao amin’ny lavaka intsony i Josefa.


Nohosenan’i Tamara vovoka ny lohany dia lasa nandeha izy, nidradradradra.


Teo anoloan’ny vavahady nisy boka efa-dahy nifampilaza hoe: «Ahoana moa izao no ijanonantsika eto mandra-pahafatintsika?


Dia nitsangana i Jôba tamin’izay, nandriatra ny fitafiany, nanaratra ny lohany, nidaboka tamin’ny tany ary niankohoka nanao hoe:


Koa dia manameloka ny tenako aho, sy manenina eo amin’ny vovoka sy ny lavenona».


Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko, araka ny fiantranao; vonoy ny hadisoako, araka ny haben’ny famindram-ponao.


Fa miaiky ny hadisoako aho, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako.


«Mialà, mialà, mivoaha teo ianareo; aza mikasika izay maloto. Mivoaha avy ao aminy, mandiova tena ianareo, izay mitondra ny fanak’i Iaveh.


Ka hoy aho tamin’izay: «Loza ho ahy! maty aho! fa izaho olona maloto molotra; ary ny firenena itoerako maloto molotra; nefa aho nahita maso ny Mpanjaka, Iavehn’ny tafika!»


Tsy nisy olona niantso ny Anaranao, nifoha mba hifikitra aminao. Fa nafeninao taminay ny Tavanao, ary navelanao ho levona ao anatin’ny fahotana izahay.


Aoka isika handry eo amin’ny fahafaham-barakantsika, sy horakofan’ny henatra isika; fa samy efa nanota tamin’i Iaveh Andriamanitsika, na isika na ny razantsika, hatramin’ny fahatanorantsika ka mandrak’androany; sady tsy nihaino ny feon’i Iaveh Andriamanitsika.


Tsy mba natahotra na nandriatra ny fitafiana akory ny mpanjaka sy ireto mpanompony rehetra izay nandre izany teny rehetra izany.


«Mitanilà! Maloto e!» hoy ny antsoantson’ny olona, «Mitanilà ianareo! Mitanilà ianareo! Aza mikasika azy.» Nirenireny atsỳ sy arỳ, ka hoy ny olona any amin’ny firenena: Aoka tsy hitoetra atỳ ireny!


Misentoa mangingina, fa aza misaona ny maty, Ataovy amin’ny lohanao ny hamamanao, asio kiraro ny tongotrao, aza saronana ny volombavanao, ary aza mihinana ny mofom-piononana.»


Amin’izany ianareo, hanao toy izao nataoko izao: tsy hanarona ny volombavanareo; tsy hihinana ny mofom-piononana.


Ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, dia miverena amin’i Iaveh Andriamanitrareo, fa mamindra fo sy miantra izy, malain-kitezitra sy be hatsaram-po, ary ny loza afitsony dia alahelovany.


Hoy i Môizy tamin’i Aarôna sy i Eleazara ary i Itamara: «Aza avelanareo hirakaraka foana ny volon-dohanareo, ary aza triarinareo ny fanamianareo, fandrao dia maty ianareo, ary ho tratry ny hatezeran’i Iaveh ny fiangonana rehetra. Ny rahalahinareo sy ny taranak’i Israely rehetra no aoka hitomany noho izao fandoroana narehitr’i Iaveh izao.


dia olona boka izy, ka maloto, ary holazain’ny mpisorona hoe maloto: eo amin’ny lohany ny feriny.


«Ny mpisorona lehibe izay ambonin’ireo rahalahiny, izay nampidinana ny diloilo fanosorana ny lohany, sy voatokana hitafy ny fanamiana masina, tsy hanala satroka ny lohany, na handriatra ny fitafiany.


Hangaihay ny mpahita, ary ho mena azon’ny henatra ny mpanao fankatoavana; hisarom-bolom-bavany izy rehetra, fa tsy hisy intsony ny valy avy amin’Andriamanitra.


«Asaovy avoaky ny zanak’i Israely any ivelan’ny toby izay rehetra boka, na voan’ny fitsihana, na voaloton’ny faty.


Ary raha niditra tao amin’ny vohitra anankiray Izy, dia nifanena tamin’ny boka folo lahy, izay nijanona teny lavidavitra teny.


Nony nahita izany i Simôna Piera dia niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa ka nanao hoe: «Mialà amiko, Tompoko, fa mpanota aho»;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra