Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 13:46 - Baiboly Katolika

46 Ho maloto izy mandritra ny andro rehetra haharetan’ny feriny. Maloto izy ka hitokana irery, any ivelan’ny toby.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

46 Amin’ny andro rehetra izay aharariany amin’izany aretina izany dia haloto izy: Eny, maloto izy ka hitoetra mitokana ary eny ivelan’ny toby no toerana hipetrahany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

46 Mandritra ny andro rehetra handotoan’ny fery an’ilay olona, dia maloto izy, ka hitoetra mitokana any ivelan’ny toby.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

46 Mandritra ny andro rehetra handotoan’ny fery an’ilay olona, dia maloto izy, ka hitoetra mitokana any ivelan’ny toby.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

46 Amin’ny andro rehetra izay haharariany amin’izany aretina izany dia haloto izy: eny, maloto izy, dia hitoetra mitokana, ka eny ivelan’ny toby no hitoerany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

46 Amin'ny andro rehetra izay haharariany amin'izany aretina izany dia haloto izy; eny, maloto izy, dia hitoetra mitokana, ka eny ivelan'ny toby no itoerany.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 13:46
22 Rohy Ifampitohizana  

Fa amin’ny lohan’i Jôaba sy ny ankohonan-drainy rehetra anie izany: ka tsy ho tapaka eo amin’ny fianakavian’i Jôaba ny marary mitsi-dra na boka, na mampandihy ampela na lavon-tsabatra, na tsy ampy hanina.»


Ary i Iaveh namely ny mpanjaka, ka boka hatramin’ny andro nahafatesany izy, ka nitoetra tamin’ny trano manirery. Fa i Joatama zanaky ny mpanjaka no nanapaka tao an-trano sy nitsara ny vahoaka tamin’ny tany.


Teo anoloan’ny vavahady nisy boka efa-dahy nifampilaza hoe: «Ahoana moa izao no ijanonantsika eto mandra-pahafatintsika?


Dia boka hatramin’ny andro nahafatesany i Oziasa mpanjaka, ka nitoetra an-trano manirery, amin’ny mahaboka azy, fa nesorina tao an-tranon’i Iaveh. I Joatama zanany no nanapaka tao an-tranon’ny mpanjaka sy nitsara ny vahoaka tamin’ny tany.


Misy taranaka manao ny tenany ho madio, kanjo tsy voasasa amin’ny fahalotoany.


Ahoana re no mitoetra manirery ity, ilay tanàna be olona! Zary toa mpitondratena, ilay nalaza tamin’ny firenena! izy izay mpanjaka vavy eo amin’ny faritany, natao mpandoa hetra.


Nampitombo ny fahotany i Jerosalema, ka tonga zava-maloto; mamingavinga azy avokoa izay nanaja azy, fa nahita ny fitanjahany; mandefa feo mitoloko koa izy, sady miamboho.


«Mitanilà! Maloto e!» hoy ny antsoantson’ny olona, «Mitanilà ianareo! Mitanilà ianareo! Aza mikasika azy.» Nirenireny atsỳ sy arỳ, ka hoy ny olona any amin’ny firenena: Aoka tsy hitoetra atỳ ireny!


Raha misy fery habokana eo amin’ny fitafiana rongony na volon’ondry,


Hoentina ho ao amin’ny mpisorona izy, dia hivoaka ny toby ny mpisorona hizaha azy. Ka raha sitrana ny ferin’ny habokan’ilay boka,


Hofongorana amin’ny fireneny ny olona rehetra tsy nampijaly tena amin’izany andro izany;


Ary raha niditra tao amin’ny vohitra anankiray Izy, dia nifanena tamin’ny boka folo lahy, izay nijanona teny lavidavitra teny.


dia aoka izany olona izany hatolotra an’i Satana, mba ho simba ny vatany, fa ho voavonjy kosa ny fanahiny amin’ny andron’ny Tompo.


Raha misy tsy manaiky ny teninay amin’ity taratasy ity, dia mariho izy, ka aza mikambakambana aminy intsony mba hahamenatra azy.


Mandidy anareo amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika izahay, mba hisaraka amin’ny namana rehetra tsy manaraka ny fampianarana noraisiny taminay, fa manao fitondran-tena tsy marina.


fifanoherana tsy misy farany, fanaon’ny olona efa ratsy saina sy nialan’ny fahamarinana, ka manao ny fivavahana ho filan-karena.


ary tsy hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra anarana ao amin’ny bokin’ny fiainan’ny Zanak’ondry ihany.


Fa any ivelany kosa ny alika sy ny mpimasy, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy, mbamin’izay rehetra tia lainga sy mpandainga.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra