Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 4:6 - Baiboly Katolika

ary hodi-dogaona no harakony eo ambonin’io; lamba jaky volomparasy iray volo no hovelariny ambonin’izay; izay vao hapetany eo ny baony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

hoditra trozona no hataony sarona eo amboniny, koa lamba volon’ondry manga tokam-bolo no hovelariny ary hasarony eo ambonin’io, dia hataony eo aminy ny baony.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

hasiany lamba hoditra manify eo ambonin’izany, dia hamelarany lamba volomparasy indray eo ambonin’io, vao hapetrany ny bao filanjana azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

hasiany lamba hoditra manify eo ambonin’izany, dia hamelarany lamba volomparasy indray eo ambonin’io, vao hapetrany ny bao filanjana azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary hodi-takasy no hataony sarona eo amboniny, ka lamba volon’ondry manga tokam-bolo no hovelariny hasarony eo ambonin’io, dia hataony eo aminy ny baony.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ary hodi-takasy no hataony sarona eo amboniny, ka lamba volon'ondry manga tokam-bolo no hovelariny hasarony eo ambonin'io, dia hataony eo aminy ny baony.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

hoditra trozona no hataony sarona eo amboniny, koa lamba volon’ondry manga tokam-bolo no hovelariny ary hasarony eo ambonin’io, dia hataony eo aminy ny baony.

Jereo ny toko



Nomery 4:6
11 Rohy Ifampitohizana  

«Hanao fiara hazo akasià izy; roa akiho sy sasany ny lavany, ary iray akiho sy sasany ny sakany, ary iray akiho sy sasany ny haavony.


ny fanamiana fitondra raha manao fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina, ny fanamiana masina ho an’i Aarôna mpisorona sy ny fanamian’ireo zanany fitondrany raha manao raharaham-pisoronana.»


Natao tamin’ny jaky volomparasy, sy jaky mangatrakatraka, ary lamba mena antitra ny fanamiana enti-manao ny fomba-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina, mbamin’ny fanamiana masina ho an’i Aarôna, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.


ny fanamiana hoenti-manao ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, ny fanamiana masina ho an’i Aarôna mpisorona, sy ny fanamian’ireo zanany, fitondrany amin’ny raharaham-pisoronana.


ka hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra ilaina amin’ny raharaha atao aminy, dia ny fatana, ny fitrebika, ny sotron’afo, ny tavy ary ny fanaka rehetra momba ny ôtely; hovelarany firakotra hodi-dogaona eo amboniny ireo, vao hapetany eo ny baony.


Hitondra ny ambain’ny Fonenana sy ny trano lay fihaonana izy, mbamin’ny firakony sy ny sarona hodi-dogaona izay fanao eo amboniny, ny varavarana lamba izay eo amin’ny fidiran’ny trano lay fihaonana,


Nosoratan’i Môizy izany lalàna izany, dia natolony tamin’ny mpisorona, taranak’i Levì mpitondra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh, mbamin’ny loholon’i Israely rehetra.