solika hatao amin’ny fanaovan-jiro, zava-manitra hatao amin’ny diloilo fanosorana sy amin’ny zava-manitra fanembohana;
Nomery 4:16 - Baiboly Katolika I Eleazara zanak’i Aarôna mpisorona, no hitandrina ny diloilon’ny fanaovan-jiro, ny zava-manitra mani-pofona, ny fanatitra tsy tapaka ary ny diloilo fanosorana, dia hitandrina ny Fonenana manontolo mbamin’izay rehetra ao anatiny, ny fitoerana masina mbamin’ny fanaka rehetra momba azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Eleazara, zanak’i Arona mpisorona, dia hanara-maso ny diloilo hatao fanazavana, ny ditin-kazo mani-pofona, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry fanao isanandro ary ny diloilo fanosorana; hanara-maso ny tabernakely manontolo sy izay rehetra ao anatiny izy, ao amin’ny fitoerana masina sy ireo fanaka momba azy. DIEM PROTESTANTA I Elehazara zanakalahin’i Aharôna mpisorona no miandraikitra ny diloilon-jiro, ny ditin-kazo manitra, ny fanatitra hohanina fanao isan’andro ary ny diloilo fanosorana; miandraikitra ny Fonena-masina manontolo sy ny ao anatiny rehetra izy, na ny fitaovana masina izany na ny kojakoja rehetra momba azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Elehazara zanakalahin’i Aharôna mpisorona no miandraikitra ny diloilon-jiro, ny ditin-kazo manitra, ny fanatitra hohanina fanao isan’andro ary ny diloilo fanosorana; miandraikitra ny Fonena-masina manontolo sy ny ao anatiny rehetra izy, na ny fitaovana masina izany na ny kojakoja rehetra momba azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny raharahan’i Eleazara, zanak’i Arona mpisorona, dia ny diloilo hatao fanazavana sy ny ditin-kazo mani-pofona sy ny fanatitra hohanina fanao isan-andro ary ny diloilo fanosorana, dia ny raharaha rehetra amin’ny tabernakely sy izay rehetra ao anatiny amin’ny fitoerana masina sy ny fanaka momba azy. Malagasy Bible Ary ny raharahan'i Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, dia ny diloilo hatao fanazavana sy ny ditin-kazo mani-pofona sy ny fanatitra hohanina fanao isan'andro ary ny diloilo fanosorana, dia ny raharaha rehetra amin'ny tabernakely sy izay rehetra ao anatiny amin'ny fitoerana masina sy ny fanaka momba azy. La Bible en Malgache Ary i Eleazara, zanak’i Arona mpisorona, dia hanara-maso ny diloilo hatao fanazavana, ny ditin-kazo mani-pofona, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry fanao isanandro ary ny diloilo fanosorana; hanara-maso ny tabernakely* manontolo sy izay rehetra ao anatiny izy, ao amin’ny fitoerana masina sy ireo fanaka momba azy. |
solika hatao amin’ny fanaovan-jiro, zava-manitra hatao amin’ny diloilo fanosorana sy amin’ny zava-manitra fanembohana;
ny zava-manitra fandoro eo amin’ny fitoerana masina. Hotanterahiny avokoa izay rehetra nandidiako anao.»
Dia nanao ny diloilo fanosorana masina izy, sy ny zava-manitra fanembohana, vita araka ny fahaizana momba ny fanaovan-java-manitra.
«Omeo didy ny zanak’i Israely hanatitra aminao diloilo madio avy amin’ny ôliva voatoto, hamelomana ny jiro lalandava.
Ho masina avokoa izay hikasika ny nofony. Raha misy fitafiana nipitihan’ny rany, dia hosasanao eo amin’ny toerana masina izay faritra nipitihan’ny ra.
I Eleazara zanak’i Aarôna mpisorona no lehiben’ny filohan’ny Levita, ka izy no mpitandrina an’ireo miandraikitra ny fiambenana ny fitoerana masina.
«Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo,
Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra, nanendren’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina mba hifehezanareo ny Eglizin’ny Tompo izay novidiny tamin’ny Rany.
Aoka hataon’ny olona ho mpandraharahan’i Kristy izahay, sy mpitandrina ny misterin’Andriamanitra.
Fa iray monja Andriamanitra, ary iray ihany no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olombelona, dia i Kristy Jesoa tonga olombelona,
Koa amin’izany, ry havana masina, mpiombona amin’ny fiantsoana ho any an-danitra, diniho ilay Apôstôly sy ny mpisorom-ben’ny finoana arahintsika, dia i Jesoa,
fa i Kristy kosa dia toy ny Zanaka manapaka ny tranon’ny tenany, ary isika no tranony, raha tanantsika mafy hatramin’ny farany ny fahasahiana sy ny hafaliana masina vokatry ny fanantenana.
Fa efa toy ny ondry nania ianareo, ary indro ankehitriny efa tafaverina amin’ny Mpiandry sy Mpitondra ny fanahinareo.
fahano ny ondrin’Andriamanitra napetraka hiandraiketanareo; aoka ianareo hitandrina azy ireo, tsy an-terivozona fa an-tsitrapo araka an’Andriamanitra; tsy amim-pitiavam-bola fa amin-jotom-po;