ny ôtely volamena, ny diloilo fanosorana, ny zava-manitra fanembohana, mbamin’ny varavarana lamba fidirana amin’ny trano lay,
Nomery 4:11 - Baiboly Katolika Ny ôtely volamena dia hovelariny lamba jaky volomparasy sy hofonosiny firakotra hodi-dogaona vao hametahany ny baony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hamelatra lamba manga eo ambonin’ny alitara volamena izy, dia hosaronany rakotra hoditra trozona, ary hataony eo aminy ny baony. DIEM PROTESTANTA Hamelatra lamba volomparasy eo amin’ny alitara volamena izy, ka handrakotra izany amin’ny lamba hoditra mafy, ary izay vao hapetrany ny bao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hamelatra lamba volomparasy eo amin’ny alitara volamena izy, ka handrakotra izany amin’ny lamba hoditra mafy, ary izay vao hapetrany ny bao. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hamelatra lamba manga eo ambonin’ny alitara volamena izy, dia hosaronany sarona hodi-takasy, ary hataony eo aminy ny baony; Malagasy Bible Ary hamelatra lamba manga eo ambonin'ny alitara volamena izy, dia hosaronany sarona hodi-takasy, ary hataony eo aminy ny baony; La Bible en Malgache Hamelatra lamba manga eo ambonin’ny alitara volamena izy, dia hosaronany rakotra hoditra trozona, ary hataony eo aminy ny baony. |
ny ôtely volamena, ny diloilo fanosorana, ny zava-manitra fanembohana, mbamin’ny varavarana lamba fidirana amin’ny trano lay,
Hataonao eo anoloan’ny fiaran’ny vavolombelona ny ôtely volamena fandoran-java-manitra, ary hataonao eo amin’ny fidirana ao amin’ny Fonenana ny varavarana lamba.
ary hataony ao anatin’ny firakotra hodi-dogaona izy mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, vao hapetrany eo ambonin’ny filanjana izy.
Halainy ny fanaka rehetra fanaovana ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, ka hataony ao anatin’ny lamba jaky volomparasy sy hofonosiny firakotra hodi-dogaona, vao hapetrany eo ambonin’ny filanjana azy.
ary hodi-dogaona no harakony eo ambonin’io; lamba jaky volomparasy iray volo no hovelariny ambonin’izay; izay vao hapetany eo ny baony.
Dia indro koa nisy Anjely anankiray hafa, nitsangana teo anoloan’ny ôtely, nitana fanembohana volamena, ary nomena emboka manitra betsaka mba hanolotra ny vavaky ny olo-masina rehetra eo ambony ôtely volamena, izay eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra: