Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 36:7 - Baiboly Katolika

dia tsy hifindra maso ny lovan’ny zanak’i Israely, fa samy ho eo amin’ny lovan’ny fokon-drainy avy no hipetrahan’ny zanak’i Israely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tsy hafindra foko ny zaratanin’ny firenen’ny Zanak’Israely fa samy hifikitra ao amin’ny zaratanin’ny razany avy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Amin’izay dia tsy hisy zara tany hifindra foko eo amin’ny Israelita, fa samy ho eo amin’ny zara tany azon’ny fokon-drainy avy no hifikiran’ny Israelita.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Amin’izay dia tsy hisy zara tany hifindra foko eo amin’ny Israelita, fa samy ho eo amin’ny zara tany azon’ny fokon-drainy avy no hifikiran’ny Israelita.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia tsy hifindra maso ny zara-tanin’ny firenen’ny Zanak’Isiraely; fa samy ho eo amin’ny zara-tanin’ny razany avy no hipetrahan’ny Zanak’Isiraely.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia tsy hifindra maso ny zara-tanin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely; fa samy ho eo amin'ny zara-tanin'ny razany avy no hipetrahan'ny Zanak'Isiraely.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tsy hafindra foko ny zaratanin’ny firenen’ny Zanak’Israely fa samy hifikitra ao amin’ny zaratanin’ny razany avy.

Jereo ny toko



Nomery 36:7
5 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy i Nabôta namaly an’i Akaba: «Hampanalavirin’i Iaveh ahy anie ny hanome ny lova avy amin’ny razako!»


Ka ny zazavavy rehetra manana lova eo amin’ny fokon’ny zanak’i Israely, dia samy hanambady ny anankiray amin’ny fianakavian’ny fokon-drainy avy, mba samy hahatana ny lovan-drazany avy ny zanak’i Israely rehetra.


Tsy hisy lova hifindra maso any amin’ny foko hafa, fa ny fokon’i Israely rehetra samy hipetraka amin’ny lovany avy.»


Dia nampodin’i Jôsoe ny vahoaka samy ho any amin’ny lovany avy.


Ho sitraky ny mpanjaka tompoko anie ankehitriny ny hihaino ny tenin’ny mpanompony: Raha i Iaveh no nanesika anao hamely ahy, aoka hankasitrahiny ny hanitry ny fanatitra anankiray; fa raha olombelona kosa, aoka ho voaozona eo anatrehan’i Iaveh izy, satria efa nandroaka ahy izy izao, mba hanesotra amiko ny anjara-toerako amin’ny lovan’i Iaveh, nanao hoe: Mandehana manompo andriamani-kafa.