Fa raha tsy manao izany kosa ianareo, dia indro manota amin’i Iaveh ianareo, ka fantaro fa hanody anareo ny fahotanareo.
Nomery 34:14 - Baiboly Katolika Fa ny fokon’ny zana-dRobena araka ny fokom-pianakaviany avy, sy ny fokon’ny zanak’i Gada, araka ny fokom-pianakaviany avy, dia efa samy nandray ny azy, ny antsasaky ny fokon’i Manase efa nandray ny lovany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 fa ny foko taranak’i Robena araka ny fianakaviany sy ny foko taranak’i Gada araka ny fianakaviany dia efa nandray ny zarataniny, ary ny antsasaky ny fokon’i Manase koa dia efa nandray ny zarataniny. DIEM PROTESTANTA Fa ny foko robenita sy ny foko gadita ary koa ny antsasaky ny fokon’i Manase dia efa samy nahazo ny zara taniny, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa ny foko robenita sy ny foko gadita ary koa ny antsasaky ny fokon’i Manase dia efa samy nahazo ny zara taniny, Baiboly Protestanta Malagasy fa ny firenena taranak’i Robena araka ny fianakaviany sy ny firenena taranak’i Gada araka ny fianakaviany dia efa nandray ny zara-taniny, ary ny antsasaky ny firenen’i Manase koa dia efa nandray ny zara-taniny; Malagasy Bible fa ny firenena taranak'i Robena araka ny fianakaviany sy ny firenena taranak'i Gada araka ny fianakaviany dia efa nandray ny zara-taniny, ary ny antsasaky ny firenen'i Manase koa dia efa nandray ny zara-taniny; La Bible en Malgache fa ny foko taranak’i Robena araka ny fianakaviany sy ny foko taranak’i Gada araka ny fianakaviany dia efa nandray ny zarataniny, ary ny antsasaky ny fokon’i Manase koa dia efa nandray ny zarataniny. |
Fa raha tsy manao izany kosa ianareo, dia indro manota amin’i Iaveh ianareo, ka fantaro fa hanody anareo ny fahotanareo.
Dia nomen’i Môizy ny zanak’i Gada sy ny zana-dRobena ary ny antsasaky ny fokon’i Manase zanak’i Josefa, ny fanjakan’i Sehôna mpanjakan’ny Amôreana, sy ny fanjakan’i Oga mpanjakan’i Basàna, dia ny tany mbamin’ny tanànany sy ny faritany momba azy, ary ny tanàna eny amin’ny tany manodidina.
Samy efa naka ny anjara lovany atỳ an-dafin’i Jordany hitsin’i Jerikô amin’ny lafiny any atsinanana, amin’izay hiposahan’ny masoandro, ny foko roa sy ny antsasa-poko.
Nifidy ny voalohan-tany ho azy izy; fa anjara-mpifehy no voaafina ao, ary nandroso nialoha lalana ny vahoaka, nanatanteraka ny fahamarinan’i Iaveh izy sy ny fitsaràny, niaraka tamin’i Israely».
handroahany firenena maro sady matanjaka noho ianao teo anoloanao, mba hampidirany anao amin’ny taniny, sy hanomezany izany ho lovanao, araka izao ankehitriny izao.