Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 34:13 - Baiboly Katolika

13 Izao no nandidian’i Môizy ny zanak’i Israely nataony hoe: Izany no tany hozarainareo amin’ny filokana sy nodidian’i Iaveh homena ny foko sivy sy ny antsasa-poko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Ary nandidy ny Zanak’Israely i Mosesy hoe: Izany no tany izay hozarainareo araka ny antsapaka, dia izay andidian’NY TOMPO mba homena ny foko sivy sy ny antsasaky ny fokon’i Manase;

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

13 Dia namepetra ny Israelita i Mosesy ka nanao hoe: –Izany no tany izay nandidian’ny TOMPO fa hozarainareo antsapaka ho an’ny foko sivy sy sasany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Dia namepetra ny Israelita i Mosesy ka nanao hoe: –Izany no tany izay nandidian’ny TOMPO fa hozarainareo antsapaka ho an’ny foko sivy sy sasany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ary Mosesy nandidy ny Zanak’Isiraely ka nanao hoe: Izany no tany izay hozarainareo araka ny filokana, dia izay andidian’i Jehovah homena ny firenena sivy sy sasany;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary Mosesy nandidy ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Izany no tany izay hozarainareo araka ny filokana, dia izay andidian'i Jehovah homena ny firenena sivy sy sasany;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Ary nandidy ny Zanak’Israely i Mosesy hoe: Izany no tany izay hozarainareo araka ny antsapaka, dia izay andidian’NY TOMPO mba homena ny foko sivy sy ny antsasaky ny fokon’i Manase;

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 34:13
10 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izany andro izany nanao fanekena tamin’i Abrama i Iaveh nanao hoe: «Omeko ny taranakao ity tany ity hatrany amin’ny onin’i Ejipta ka hatrany amin’ny ony lehibe, dia i Eofrata izany;


Rehefa mizara ny tany amin’ny filokana ianareo, hanananareo azy, dia manokàna anjara masina amin’ny tany, mba ho fanatitra ho an’i Iaveh: 25.000 hakiho ny lavany, ary 25.000 ny sakany; ho masina avokoa izy, manerana ny habeny amin’ny manodidina rehetra.


Koa tsy hahita olona hanenjana ny famolaina hahazoanao anjara lova eo amin’ny fiangonan’i Iaveh.


Niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:


Kanefa hanaovana loka no hizarana ny tany. Araka ny anaran’ny fokom-pianakaviany avy no hahazoany ny zarataniny.


Niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:


ary midina ny faritra manaraka ny moron’i Jordany ka tafapaka hatramin’ny Ranomasin-tSira. Izany no ho taninareo araka ny faritra manodidina azy.


Ho anareo avokoa ny tany rehetra hodiavin’ny faladian-tongotrareo; hatramin’ny efitra ka hatrany Libàna, ary hatramin’ny ony Eofrata ka hatramin’ny ranomasina andrefana, no ho faritanareo.


Ary ankehitriny zarao izany tany izany amin’ny foko sivy, sy ny antsasaky ny fokon’i Manase, mba ho lovany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra