Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nomery 34:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Dia namepetra ny Israelita i Mosesy ka nanao hoe: –Izany no tany izay nandidian’ny TOMPO fa hozarainareo antsapaka ho an’ny foko sivy sy sasany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Ary nandidy ny Zanak’Israely i Mosesy hoe: Izany no tany izay hozarainareo araka ny antsapaka, dia izay andidian’NY TOMPO mba homena ny foko sivy sy ny antsasaky ny fokon’i Manase;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Dia namepetra ny Israelita i Mosesy ka nanao hoe: –Izany no tany izay nandidian’ny TOMPO fa hozarainareo antsapaka ho an’ny foko sivy sy sasany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Izao no nandidian’i Môizy ny zanak’i Israely nataony hoe: Izany no tany hozarainareo amin’ny filokana sy nodidian’i Iaveh homena ny foko sivy sy ny antsasa-poko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ary Mosesy nandidy ny Zanak’Isiraely ka nanao hoe: Izany no tany izay hozarainareo araka ny filokana, dia izay andidian’i Jehovah homena ny firenena sivy sy sasany;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary Mosesy nandidy ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Izany no tany izay hozarainareo araka ny filokana, dia izay andidian'i Jehovah homena ny firenena sivy sy sasany;

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 34:13
10 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izay andro izay ny TOMPO dia nanao fanekempihavanana tamin’i Abrama, ka niteny hoe: –Omeko ny taranakao ity tany ity, manomboka eo amin’ny ranon-driakan’i Ejipta ka hatrany Eofrata ony lehibe


«Rehefa mizara ny tany ho an’ny isam-poko eo amin’ny Israelita ianareo, dia hisy ampahany havahanareo ho an’ny TOMPO: anjara voatokana ho Azy amin’ny tany izany ka hisy 12 km sy sasany ny lavany ary 10 km ny sakany; voatokana manontolo ho an’ny Tompo izany faritany izany.


Noho izany, dia tsy hisy amin’ny taranakareo hahazo zara tany rehefa hatao indray ny fizaràna eo amin’ny vahoakan’ny TOMPO.


Niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO ka nanao hoe:


Antsapaka anefa no hizaràna ny tany, na dia araka ny habetsahan’ny olona isam-poko, aza.


Niteny tamin’i Mosesy koa ny TOMPO


ka hitsontsorika hatrany Jôrdàna ary hiafara any amin’ny Ranomasina Maty. «Izany no taninareo araka ny sisin-tany manodidina azy.»


Ho anareo avokoa ny toerana rehetra hodiavin’ny tongotrareo: ny faritaninareo dia hanomboka amin’ny taniefitra any atsimo ka hiafara any Libano any avaratra, ary hanomboka amin’ny ony Eofrata any atsinanana ka hiafara amin’ny Ranomasina Mediteranea any andrefana.


Koa ankehitriny, zarao ireto tany efa azo ireto ho lovan’ny foko sivy sy antsasa-pokon’i Manase.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra