Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 34:15 - Baiboly Katolika

15 Samy efa naka ny anjara lovany atỳ an-dafin’i Jordany hitsin’i Jerikô amin’ny lafiny any atsinanana, amin’izay hiposahan’ny masoandro, ny foko roa sy ny antsasa-poko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Ireo ny foko roa sy sasany izay samy efa nandray ny zarataniny atỳ andafy atsinanan’i Jordana, hitsin’i Jeriko, tandrifin’ny fiposahan’ny masoandro.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

15 dia atỳ an-dafy atsinanan’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao manatrika ny fiposahan’ny masoandro.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 dia atỳ an-dafy atsinanan’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao manatrika ny fiposahan’ny masoandro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 dia ny firenena roa sy sasany samy efa nandray ny zara-taniny atỳ an-dafy atsinanan’i Jordana, hitsin’i Jeriko, tandrifin’ny fiposahan’ny masoandro.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 dia ny firenena roa sy sasany samy efa nandray ny zara-taniny atỳ an-dafy atsinanan'i Jordana, hitsin'i Jeriko, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Ireo ny foko roa sy sasany izay samy efa nandray ny zarataniny atỳ andafy atsinanan’i Jordana, hitsin’i Jeriko, tandrifin’ny fiposahan’ny masoandro.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 34:15
5 Rohy Ifampitohizana  

Handeha mitam-piadiana izahay ho any amin’ny tany Kanaana eo anatrehan’i Iaveh, ary ho raikitra atỳ andafin’i Jordany ny anjara fananana ho lovanay.»


Dia nomen’i Môizy ny zanak’i Gada sy ny zana-dRobena ary ny antsasaky ny fokon’i Manase zanak’i Josefa, ny fanjakan’i Sehôna mpanjakan’ny Amôreana, sy ny fanjakan’i Oga mpanjakan’i Basàna, dia ny tany mbamin’ny tanànany sy ny faritany momba azy, ary ny tanàna eny amin’ny tany manodidina.


Fa ny fokon’ny zana-dRobena araka ny fokom-pianakaviany avy, sy ny fokon’ny zanak’i Gada, araka ny fokom-pianakaviany avy, dia efa samy nandray ny azy, ny antsasaky ny fokon’i Manase efa nandray ny lovany.


Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:


handroahany firenena maro sady matanjaka noho ianao teo anoloanao, mba hampidirany anao amin’ny taniny, sy hanomezany izany ho lovanao, araka izao ankehitriny izao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra