Telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Adama vao nitera-dahy anankiray manahaka azy sy mitovy tarehy aminy, ka nomeny anarana hoe Seta.
Nomery 32:14 - Baiboly Katolika Ary indreo ianareo mitsangana hisolo ny rainareo, toy ny taranaky ny mpanota, ka hampitombo indray ny firehetan’ny hatezeran’i Iaveh amin’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary izao indray koa ianareo dia mitsangana hisolo ny rainareo, ho taranaka mpanota, hampitombo ny firehetan’ny fahatezeran’NY TOMPO amin’ny Israely! DIEM PROTESTANTA Ary ianareo, ry andian’olona mpanota, indreo ianareo fa manara-dia ireo rainareo ka hampirehitra indray ny fahatezeran’ny TOMPO amin’ny Israelita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary ianareo, ry andian’olona mpanota, indreo ianareo fa manara-dia ireo rainareo ka hampirehitra indray ny fahatezeran’ny TOMPO amin’ny Israelita. Baiboly Protestanta Malagasy Ary, indreto, hianareo mitsangana hisolo ny rainareo, ho taranaka mbola mpanota, hampitombo ny firehetan’ny fahatezeran’i Jehovah amin’ny Isiraely. Malagasy Bible Ary, indreto, ianareo mitsangana hisolo ny rainareo, ho taranaka mbola mpanota, hampitombo ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah amin'ny Isiraely. La Bible en Malgache Ary izao indray koa ianareo dia mitsangana hisolo ny rainareo, ho taranaka mpanota, hampitombo ny firehetan’ny fahatezeran’NY TOMPO amin’ny Israely! |
Telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Adama vao nitera-dahy anankiray manahaka azy sy mitovy tarehy aminy, ka nomeny anarana hoe Seta.
Dia nandre hanitra mahafinaritra i Iaveh, ka i Iaveh nanao anakampo hoe: «Tsy hanozona intsony ny tany Aho noho ny olona; fa ratsy hatramin’ny fahatanorany ny fisainan’ny fon’ny olombelona; ary tsy mba hamono ny zavatra manana aina rehetra toy izay nataoko izay intsony Aho.
nanao hoe: «Tsy hampiditra ireo babo ireo eto ianareo, fa ny hivesarantsika fahotana amin’i Israely no kendrenareo ka mitady hanampy ny fahotana amam-pahadisoantsika ianareo, fa lehibe ny hadisoantsika, ka dia mirehitra amin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh.»
Dia nitsangana i Esdrasa mpisorona, ka nanao tamin’izy ireo hoe: «Efa nanota ianareo, fa namponina vehivavy hafa firenena eto aminareo ka nampitombo ny helok’i Israely amin’izany ianareo.
Tsy toy izao indrindra va no nataon’ny razanareo, ka nampidiran’Andriamanitra izao loza manjò antsika sy ity tanàna ity izao? Ary inty indray ianareo manampy ny hatezerany amin’i Israely, amin’ny fandotoana ny sabata!»
Adray! ry ilay firenena mpanota, vahoaka mavesa-keloka, tarana-dratsy, zana-meloka! Nandao an’i Iaveh izy ireo, naniratsira an’Ilay Masin’i Israely, nihataka nihemotra.
Iza no hanihaninareo? Iza no isanasanànareo vava sy itranganareo lela? Tsy zanaky ny mpanao ratsy va ianareo, sy taranaka mpandainga?
Niodina tamiko koa anefa ireo zanany, fa ny didiko tsy narahiny, tsy notandremany tamin’ny fanatanterahana azy. Ny fitsipiko izay mahavelona ny olona manaraka azy, ary ny sabatako novetavetainy. Nihevitra ny handatsaka ny hatezerako tamin’izy ireo Aho, sy hanarana ny hatezerako taminy, tany an’efitra.
Fa raha mandà tsy hanaraka Azy ianareo, dia mbola avelany atỳ an’efitra i Israely, ka dia ianareo no ho fototry ny fandringanana izao vahoaka rehetra izao.»
Koa mitsangan-ko vavolombelona sy mpankasitraka ny nataon’ny razanareo ianareo, fa izy moa namono ny mpaminany, ianareo kosa manao fasana ho azy.