Azy ireo ny mikarakara ny fitandremana ny trano lay fihaonana, ny fitandremana ny zavatra masina, ny fitandremana ireo taranak’i Aarôna, rahalahiny, amin’ny momba ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh.
Nomery 3:38 - Baiboly Katolika I Môizy sy i Aarôna mbamin’ny zanany no nitoby eo anoloan’ny Fonenana, eo atsinanana, eo anatrehan’ny trano lay fihaonana, amin’ny lafiny iposahan’ny masoandro; izy ireo no niadidy ny fiambenana ny fitoerana masina, araka izay tokony hotandreman’ny zanak’i Israely rehetra; fa raha olon-kafa no manakaiky eo, dia tsy maintsy hohelohin-ko faty. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny hitoby eo anoloan’ny tabernakely, eo atsinanany, izany hoe eo anoloan’ny tranolay fihaonana, tandrifin’ny fiposahan’ny masoandro, dia i Mosesy sy i Arona ary ireo zanany, izay mpitandrina ny anjara raharaha momba ny fitoerana masina, dia ny anjara raharahan’ny Zanak’Israely; fa raha olon-kafa no manakaiky dia hovonoina izy. DIEM PROTESTANTA I Mosesy sy i Aharôna ary ny zanakalahin’i Aharôna dia nitoby teo anoloana atsinanan’ny Tranolay fihaonana eo amin’ny fiposahan’ny masoandro. Izy ireo no miandraikitra ny fiambenana ny Toeramasina amin’ny anaran’ny Israelita. Izay tsy mpisorona mitady hanatona eo dia hatao maty. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Mosesy sy i Aharôna ary ny zanakalahin’i Aharôna dia nitoby teo anoloana atsinanan’ny Tranolay fihaonana eo amin’ny fiposahan’ny masoandro. Izy ireo no miandraikitra ny fiambenana ny Toeramasina amin’ny anaran’ny Israelita. Izay tsy mpisorona mitady hanatona eo dia hatao maty. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny mitoby eo anoloan’ny tabernakely atsinanany, dia eo anoloan’ny trano-lay fihaonana, tandrifin’ny fiposahan’ny masoandro, dia Mosesy sy Arona ary ny zanany, izay mpitandrina ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masina, dia ny anjara-raharahan’ny Zanak’Isiraely; ary raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy. Malagasy Bible Ary ny mitoby eo anoloan'ny tabernakely atsinanany, dia eo anoloan'ny trano-lay fihaonana, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro, dia Mosesy sy Arona ary ny zanany, izay mpitandrina ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masina, dia ny anjara-raharahan'ny Zanak'Isiraely; ary raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy. La Bible en Malgache Ny hitoby eo anoloan’ny tabernakely, eo atsinanany, izany hoe eo anoloan’ny tranolay fihaonana, tandrifin’ny fiposahan’ny masoandro, dia i Mosesy sy i Arona ary ireo zanany, izay mpitandrina ny anjara raharaha momba ny fitoerana masina, dia ny anjara raharahan’ny Zanak’Israely; fa raha olon-kafa no manakaiky dia hovonoina izy. |
Azy ireo ny mikarakara ny fitandremana ny trano lay fihaonana, ny fitandremana ny zavatra masina, ny fitandremana ireo taranak’i Aarôna, rahalahiny, amin’ny momba ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh.
Rehefa hifindra ny Fonenana dia ny Levita no hangorona azy; rehefa hiorin-dasy indray ny Fonenana, izy koa no hanangana azy; fa raha olon-kafa no manakaiky eo, dia hohelohin-ko faty.
Fa ny Levita kosa dia hitoby manodidina ny Fonenan’ny vavolombelona, mba tsy hipoahan’ny hatezerako ny fiangonan’ny zanak’i Israely, ary ny Levita no hiambina ny Fonenan’ny vavolombelona.»
Ny fanevan’ny tobin’i Jodà no hiorin-dasy eo anoloany eo amin’ny lafiny atsinanana mbamin’ny antokony avy. Ny filohan’ny taranak’i Jodà dia i Nahasôna zanak’i Aminadaba,
Ary i Aarôna sy ny zanany lahy dia hotendrenao hanao ny raharahany momba ny fisoronana. Fa raha olon-kafa no manatona ny fitoerana masina, dia hohelohin-ko faty.»
Eo amin’ny lafiny atsimo amin’ny Fonenana no nitobian’ny fokon’ny zanaka lahin’i Kaata.
Ny filohan’ny foko iavian’ny fianakavian’i Merarỳ, dia i Soriela zanak’i Abihaiela. Eo amin’ny lafiny avaratra amin’ny Fonenana no nitobian’izy ireo.