Nomery 3:19 - Baiboly Katolika Ny zanak’i Kaata araka ny fianakaviany dia i Amrama, i Hebrôna ary i Oziela. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny zanakalahin’i Kehata, araka ny fianakaviany, dia i Amrama, i Jizara, i Hebrona ary i Oziela. DIEM PROTESTANTA Ary ny anaran’ny zanakalahin’i Kehata dia ireto avy: i Hamrama sy i Jitsehara ary i Hebrôna sy i Hoziela ka izy efa-dahy no razan’ny tarika avy aminy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary ny anaran’ny zanakalahin’i Kehata dia ireto avy: i Hamrama sy i Jitsehara ary i Hebrôna sy i Hoziela ka izy efa-dahy no razan’ny tarika avy aminy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny zanakalahin’i Kehata, araka ny fianakaviany, dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela. Malagasy Bible Ary ny zanakalahin'i Kehata, araka ny fianakaviany, dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela. La Bible en Malgache Ny zanakalahin’i Kehata, araka ny fianakaviany, dia i Amrama, i Jizara, i Hebrona ary i Oziela. |
Amin’i Hemàna, ny zanaka lahin’i Hemàna: i Boksiao, i Mataniaò, i Ozilea, i Soboela, i Jerimota, i Hanaiasa, i Hananỳ, i Eliata, i Gedeltỳ, i Rômentiezera, i Jesbakasà, i Melotì, i Otira, ary i Mahaziôta.
Dia ireto no nanao ny raharaha, mbamin’ny zanany avy: Amin’ny zanaka lahin’ny Kaatita: i Hemàna mpihira, zanak’i Joela zanak’i Samoela
Dia nitsangana ny Levita: i Mahata zanak’i Amasaia, i Joela zanak’i Azariasa, tamin’ny taranak’i Kaatita; tamin’ny taranaky ny Merarita, i Kisa zanak’i Abdỳ, i Azariasa zanak’i Jalaleela; tamin’ny Gersônata, i Jôah zanak’i Zemà, i Edena zanak’i Jôah;
Izao no anaran’ny zanaka lahin’i Levỳ, mbamin’ny taranany avy: Jersôna, Kaata ary Merarỳ. Fito amby telopolo amby zato taona no andro niainan’i Levỳ.
Zanak’i Kaata: i Amrama, i Isaara, i Hebrôna ary i Oziela. Telo amby telopolo amby zato taona no andro niainan’i Kaata.
I Amrama naka an’i Jôkadeba anabavin-drainy ho vadiny; ka io no niteraka an’i Aarôna sy i Môizy taminy. Fito amby telopolo amby zato taona no andro niainan’i Amrama.
ny fianakavian’ny taranak’i Levì manokana, ny vadin’ireo manokana; ny fianakavian’i Semeì manokana, ny vadin’ireo manokana;
Ny zanak’i Merarỳ, araka ny fianakaviany, dia i Moholỳ sy i Môizy. Ireo no fokon’i Levỳ araka ny fokom-pianakaviany avy.
Ny avy amin’i Kaata dia ny fokon’ny Amramita, ny fokon’ny Jesaarita, ny fokon’ny Hebrônita, ary ny fokon’ny Azielita: ireo no fokon’ny Kaatita.