Niantso andro fifadian-kanina aho, teo amoron’ny ony Ahavà teo, hampijalianay tena eo anatrehan’ny Andriamanitray, hangatahanay aminy mba ho tsara mandroso avokoa, na ny tenanay, na ny zanakay, na ny anananay rehetra.
Nomery 29:7 - Baiboly Katolika «Amin’ny andro fahafolon’io volana io ihany, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ary hampahory ny fanahinareo ianareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Amin’ny andro fahafolo amin’izany volana fahafito izany dia hisy fivoriana masina ho anareo ka hampahory ny tenanareo ianareo; aza manao raharaha na dia kely aza. DIEM PROTESTANTA «Amin’ny andro fahafolon’ny volana fahafito, dia hisy fivoriana masina ho anareo. Hifady hanina ianareo ka tsy hanao ny asa fanaonareo andavanandro. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Amin’ny andro fahafolon’ny volana fahafito, dia hisy fivoriana masina ho anareo. Hifady hanina ianareo ka tsy hanao ny asa fanaonareo andavanandro. Baiboly Protestanta Malagasy Ary amin’ny andro fahafolo amin’izany volana fahafito izany dia hisy fivoriana masina ho anareo, dia hampahory ny tenanareo hianareo; aza manao raharaha akory. Malagasy Bible Ary amin'ny andro fahafolo amin'izany volana fahafito izany dia hisy fivoriana masina ho anareo, dia hampahory ny tenanareo ianareo; aza manao raharaha akory. La Bible en Malgache Amin’ny andro fahafolo amin’izany volana fahafito izany dia hisy fivoriana masina ho anareo ka hampahory ny tenanareo ianareo; aza manao raharaha na dia kely aza. |
Niantso andro fifadian-kanina aho, teo amoron’ny ony Ahavà teo, hampijalianay tena eo anatrehan’ny Andriamanitray, hangatahanay aminy mba ho tsara mandroso avokoa, na ny tenanay, na ny zanakay, na ny anananay rehetra.
Izaho anefa, fony izy ireo marary, nitafy lamba fivalozana, nampijaly ny aiko tamin’ny fifadian-kanina, ary ny fivavahako niverina tao ampofoako.
Ny Tompo Iavehn’ny tafika, niantso anareo, tamin’izany andro izany, hitomany sy higogogogo, hibory loha sy hisikina lasàka.
Ary haidiko amin’ny taranak’i Davida sy amin’ny mponina ao Jerosalema ny fanahin’ny fahasoavana amam-piofanana; ka hatodiny ny masony hijery ahy izay nolefoniny. Ary hanao fisaonana azy izy, toy ny fisaonana zanaka lahitokana; hitomany mafy azy izy ireo toy ny fitomany zanaka lahy matoa.
hiteny amin’ireo mpisorona ao an-tranon’i Iavehn’ny tafika mbamin’ireo mpaminany hoe: «Tokony hitomany va aho, amin’ny volana fahadimy, sy hanao fifadian-kanina, toy ny efa nataoko hatramin’ny taona maro be?»
Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho very tahaka azy avokoa ianareo rehetra.
Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho very tahaka azy avokoa ianareo rehetra.»
Nony afaka andro maromaro, dia tsy nahatoky intsony ny mandeha an-tsambo, fa efa lasa ny andro fifadiana, ka notoroan’i Paoly hevitra ny mpiantsambo,
fa fantatsika fa ilay olona tranainy toetrantsika dia niara-nofantsihana taminy, mba ho levona ny tenan’ny fahotana, ka tsy hanompo ny fahotana intsony isika,
fa asiako mafy ny tenako, ary andevoziko mihitsy aza, sao ny sasany nitoriako, nefa ny tenako kosa ho very.