Ny trano hataoko dia tsy maintsy ho lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitray.
Nomery 28:10 - Baiboly Katolika Sorona dorana amin’ny sabata izany, atao isan-tsabata, manampy ny sorona dorana tsy tapaka, mbamin’ny fanatitra araraka momba azy.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fanatitra dorana manontolo ho amin’ny Sabata izany, ary ho isan-tSabata, ho fanampin’ny fanatitra mandrakariva dorana manontolo sy ny fanatitra aidina ampombaina azy. DIEM PROTESTANTA Sorona dorana manontolo atolotra isan-tsabata izany ho fanampin’ny sorona dorana manontolo tsy tapaka isan’andro sy ny fanatitra divay momba azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Sorona dorana manontolo atolotra isan-tsabata izany ho fanampin’ny sorona dorana manontolo tsy tapaka isan’andro sy ny fanatitra divay momba azy. Baiboly Protestanta Malagasy Fanatitra dorana amin’ny isan-tSabata izany, ho fanampin’ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra aidina momba azy. Malagasy Bible Fanatitra dorana amin'ny isan-tSabata izany, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra aidina momba azy. La Bible en Malgache Fanatitra dorana manontolo ho amin’ny Sabata izany, ary ho isan-tSabata, ho fanampin’ny fanatitra mandrakariva dorana manontolo sy ny fanatitra aidina ampombaina azy. |
Ny trano hataoko dia tsy maintsy ho lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitray.
Ka izay voadidin’ny lalàn’i Môizy dia nateriny isan’andro sy isan-tsabata; ary amin’ny voalohan’ny volana, sy amin’ny fety intelo isan-taona: dia ny fetin’ny azima, ny fetin’ny herinandro, ary ny fetin’ny tabernakla.
Atsaharo ny mitondra fanati-poana ho ahy; fahavetavetana amiko ny emboka; raha ny amin’ny voaloham-bolana, sabata, fiantsoam-piangonana, dia tsy zakako hankasitrahina ny heloka sy nyfivoriana ampahibemaso.
Izany no hataonareo, ka tsy hajanona anefa ny sorona isa-maraina, dia ny sorona dorana tsy tapaka.
Lazao aminy hoe: izao no sorona atao amin’ny afo, haterinareo ho an’i Iaveh. «Isan’andro, zanak’ondry roa, efa iray taona, tsy misy kilema, ho sorona dorana tsy tapaka:
«Amin’ny andro sabata kosa, dia zanak’ondry roa, efa iray taona, tsy misy kilema, no haterinao, ary lafarina tsara indrindra roa ampahafolony, voadity tamin’ny diloilo, hatao fanatitra, mbamin’ny fanatitra araraka momba azy.
Ary osy lahy iray ho sorona noho ny ota; fa tsy hajanona anefa ny sorom-panonerana sy ny sorona dorana tsy tapaka sy ny fanatitra momba azy, mbamin’ny fanatitra araraka momba azy.»
Osy lahy iray no hatao sorona noho ny ota; ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka mbamin’ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy.

Osy lahy iray no hatao sorona noho ny ota, ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka, mbamin’ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy.
Hataonareo izany ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana isam-bolana, mbamin’ny fanatitra momba azy, ary ny fanatitra araraka momba azy araka ny fitsipika voadidy. Sorona atao amin’ny afo izany, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.»