Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 28:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Sorona dorana manontolo atolotra isan-tsabata izany ho fanampin’ny sorona dorana manontolo tsy tapaka isan’andro sy ny fanatitra divay momba azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Fanatitra dorana manontolo ho amin’ny Sabata izany, ary ho isan-tSabata, ho fanampin’ny fanatitra mandrakariva dorana manontolo sy ny fanatitra aidina ampombaina azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Sorona dorana manontolo atolotra isan-tsabata izany ho fanampin’ny sorona dorana manontolo tsy tapaka isan’andro sy ny fanatitra divay momba azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Sorona dorana amin’ny sabata izany, atao isan-tsabata, manampy ny sorona dorana tsy tapaka, mbamin’ny fanatitra araraka momba azy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Fanatitra dorana amin’ny isan-tSabata izany, ho fanampin’ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra aidina momba azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Fanatitra dorana amin'ny isan-tSabata izany, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra aidina momba azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Fanatitra dorana manontolo ho amin’ny Sabata izany, ary ho isan-tSabata, ho fanampin’ny fanatitra mandrakariva dorana manontolo sy ny fanatitra aidina ampombaina azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 28:10
16 Rohy Ifampitohizana  

Ny tempoly hataoko dia ho lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ilay Andriamanitray.


Araka ny didin’i Mosesy dia nanatitra izay fanao isan’andro i Salômôna tamin’ny sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fety lehibe telo isan-taona, izany hoe ny fety fihinanana mofo tsy misy leviora, ny fetin’ny Pentekôsta ary ny fetin’ny Tranotomboka.


Atsaharo ny mitondra fanatitra fa tsy ilaina akory; maharikoriko Ahy ny eton’ny soronareo; atsaharo ny fankalazana ny tsinam-bolana sy ny sabata ary ny fetim-piangonana. Tsy zakako ny fanompoam-pivavahana mifangaro heloka.


Hataonareo avokoa izany ho fanampin’ny sorona dorana manontolo isa-maraina tsy tapaka.


«Izao no sakafo dorana izay hatolotrareo ho an’ny TOMPO isan’andro: zanak’ondry roa izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema. Ho sorona dorana manontolo tsy tapaka ho Azy izany.


«Amin’ny andro sabata kosa dia izao no hatolotra: zanak’ondry roa izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema sy lafarinina tsara toto enina kilao nofetaina tamin’ny menaka mbamin’ny fanatitra divay momba azy.


Hanatitra osilahy iray koa ianareo ho sorona fanalana ny ota. Hataonareo izany rehetra izany ho fanampin’ny sorona noho ny andro lehibe famelan-keloka sy ny sorona dorana manontolo tsy tapaka isan’andro ary ny fanatitra divay momba azy.


Hanatitra osilahy iray koa ianareo ho sorona fanalana ny ota. Hataonareo izany ho fanampin’ny sorona dorana manontolo tsy tapaka isan’andro ary ny fanatitra lafarinina sy divay momba azy.


Hataonareo izany ho fanampin’ny sorona dorana manontolo isan’andro sy ny sorona dorana manontolo isaky ny andro voalohan’ny volana miaraka amin’ny fanatitra lafarinina sy divay momba azy; ho sakafo dorana ho an’ny TOMPO izany ka hanetona ho hanitra hankasitrahiny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra