Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 28:11 - DIEM PROTESTANTA

11 «Amin’ny andro voalohany isam-bolana, dia ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema no hatolotra ho sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Izao no hatolotrareo ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO amin’ny voaloham-bolanareo: Vantotra ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito, izay iray taona avy sady tsy misy kilema,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 «Amin’ny andro voalohany isam-bolana, dia ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema no hatolotra ho sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 «Amin’ny voaloham-bolanareo, ny haterinareo ho sorona dorana ho an’i Iaveh dia vantotr’ombalahy roa, ondralahy iray, zanak’ondry fito, efa iray taona, tsy misy kilema;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary izao no atero amin’ny voaloham-bolanareo ho fanatitra dorana ho an’i Jehovah: vantotr’ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito, izay iray taona sady tsy misy kilema,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary izao no atero amin'ny voaloham-bolanareo ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito, izay iray taona sady tsy misy kilema,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Izao no hatolotrareo ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO amin’ny voaloham-bolanareo: Vantotra ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito, izay iray taona avy sady tsy misy kilema,

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 28:11
32 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy ny vadiny taminy: –Nahoana ianao no hankany aminy anio, nefa tsy fetin’ny tsinam-bolana na sabata akory ny andro? Hoy kosa ny navaliny: –Aza manahy ianao!


ary koa isaky ny misy sorona dorana manontolo atolotra ny TOMPO na amin’ny sabata na amin’ny andro voalohan’ny volana na amin’ny fankalazana hafa. Araka ny isa naraikitra hanaovana lalandava ireny raharaha ireny no hanatontosan’ny levita azy eo anatrehan’ny TOMPO.


Fa indro aho efa hanao trano ho voninahitry ny TOMPO Andriamanitro, dia trano izay hatokako ho Azy; ao no handoroana vovo-javamanitra eo anatrehan’ny Tompo sy hasiana ny mofo apetraka tsy tapaka ary hanolorana sorona dorana manontolo, dia ny sorona dorana manontolo isa-maraina sy isan-kariva ary koa izay fanao amin’ny sabata sy amin’ny voaloham-bolana ary amin’ny fetin’ny TOMPO Andriamanitray; ho fepetra raikitra ho an’ny Israelita izany.


Ny tempoly hataoko dia ho lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ilay Andriamanitray.


Araka ny didin’i Mosesy dia nanatitra izay fanao isan’andro i Salômôna tamin’ny sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fety lehibe telo isan-taona, izany hoe ny fety fihinanana mofo tsy misy leviora, ny fetin’ny Pentekôsta ary ny fetin’ny Tranotomboka.


Taorian’izany dia natolotry ry zareo ny sorona dorana manontolo tsy tapaka sy ny sorona dorana manontolo fanao amin’ny voaloham-bolana na amin’ny fankalazana rehetra voatokana ho an’ny TOMPO ary koa ny avy amin’izay rehetra manao fanatitra an-tsitrapo ho Azy TOMPO.


Nataonay lalàna koa ny handoavana ny ampahatelon-tsekela isan-taona hanaovana ny fanompoana momba ny tranon’Andriamanitray:


TOMPO Andriamanitro ô, maro tokoa ny zava-mahagaga izay nataonao; ka tsy misy azo ampitahaina aminao! Ary ny hevitra anasoavanao anay dia maro loatra ka tsy tambo isaina, tsy ary ho voatanisako na ho voalazako.


Ka hoy aho hoe: «Inty aho tamy! Ao amin’ny bokin’ny Lalàna no ahitako fa voasoratra izay tokony hataoko.»


Ingao ny hira, velezo ny amponga, tendreo ny lokanga tsara feo mbamin’ny valiha.


Amin’ny tsinam-bolana sy volam-penomanana, tsofy ny trômpetra ho an’ny andro fetintsika,


Amin’izay, hoy AHO isaky ny tonga ny tsinam-bolana sy ny sabata, dia ho avy hiankohoka eo anatrehako ny olombelona rehetra.


Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Ny vavahady atsinanana amin’ny kianja anatiny dia ho voahidy mandritra ny enina andro iasana, fa hivoha kosa izy amin’ny andro sabata sy amin’ny fetin’ny tsinambolana.


Amin’ny andron’ny tsinambolana dia hanolotra ombilahy iray sy zanak’ondry enina ary ondrilahy iray samy tsy misy kilema izy.


Hampanarahiny fanatitra varimbazaha telopolo kilao isaky ny ombilahy iray na ondrilahy iray, ary varimbazaha araka izay heveriny ho mety isaky ny zanak’ondry; dia hampiany diloilo enina litatra isaky ny varimbazaha telopolo kilao izany.


Koa halaiko aminy indray ny variko raha fararano, ary ny divaiko amin’ny fotoam-piotazana. Hoesoriko aminy ny volon’ondriko sy ny kiran-drongoniko izay nanaronany ny fitanjahany.


Izay mpanolotra no hanasa ny taovany sy ny tongony; fa ilay mpisorona kosa no hitondra azy rehetra ka handoro azy hanetona eo ambonin’ny alitara. Sorona dorana manontolo izany, dia sorona levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.


«Raha omby no atolotra ho sorona dorana manontolo, dia ombilahy tsy misy kilema no aoka hatolotra; eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana no hitondrany azy mba hankasitrahina eo anatrehan’ny TOMPO.


Izay mpanolotra no hanasa amin’ny rano ny taovany sy tongony; fa mpisorona anankiray kosa no handoro azy rehetra hanetona eo ambonin’ny alitara. Sorona dorana manontolo izany, dia sorona levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.


Voan’ny fandrika amin’ny tany ve ny vorona, raha tsy nisy sakafo nisarika azy? Mikatona ve ny fandrika-harato raha tsy mahazo zavatra?


ka velom-panontaniana anakampo hoe: Rahoviana no hifarana ny fetin’ny tsinam-bolana ka hivarotantsika vary? Rahoviana no hifarana ny sabata, mba hanokafantsika ny sompitra? Hohakelezintsika ny zinga famarana, hampitombointsika ny vato fandanjana, mizàna mandainga no hampiasantsika,


Ary amin’ny andro fety sy ny andro fifaliana ary amin’ny andro voalohan’ny volana dia hotsofinareo ny trômpetra, rehefa manao sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana ianareo. Hataonareo izany ho fampahatsiarovana Ahy Andriamanitrareo hitsimbinako anareo. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.»


Ny hatolotrareo ho an’ny TOMPO, ho sakafo miendrika sorona dorana manontolo, dia izao: ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema.


Andro sy volana ary fizaràn-taona sy taona no tandremanareo fatratra.


Aza avela hisy olona hitsara anareo momba ny zava-pihinana sy ny zava-pisotro, na ny fombafomba fanao amin’ny fankalazana na amin’ny tsinambolana na amin’ny sabata.


Noho ianareo efa nandray an’i Kristy Jesoa ho Tompo, dia manaova fitondrantena toy ny olona tafaray aminy.


Ka novalian’i Davida hoe: –Fetin’ny tsinam-bolana rahampitso; ka tokony hiara-misakafo amin’ny mpanjaka aho. Nefa avelao aho hiery any an-tsaha hatramin’ny rahafakampitso hariva.


Dia hoy no navalin’ireo tovovavy hoe: –Eny, ao izy, vao tonga talohanareo teo izy; koa faingàna ianareo, fa efa ao an-tanàna izy izao satria anio no andro fanateran’ny vahoaka sorona eo amin’ny toeram-panasinana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra