Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 27:7 - Baiboly Katolika

«Zavatra araka ny rariny tsara ny nolazain’ny zanaka vavin’i Salfaada, ka omeo zaratany ho lovany eo amin’ny rahalahin-drainy izy, dia ny anjaran-drainy no atolory ho lovany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Marina ny tenin’ny zanakavavin’i Zelofada: Omeo zaratany eo amin’ny rahalahin-drainy tokoa izy; dia ampandovay ny zaratanin’ny rainy izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

–Marina ny an’ireo zanakavavin’i Tselôfehada, koa omeo zaratany ho fananany tahaka ireo rahalahin-drainy tokoa izy ka afindrao aminy ny anjaran-drainy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

–Marina ny an’ireo zanakavavin’i Tselôfehada, koa omeo zaratany ho fananany tahaka ireo rahalahin-drainy tokoa izy ka afindrao aminy ny anjaran-drainy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Marina ny tenin’ny zanakavavin’i Zelofada: omeo zara-tany eo amin’ny rahalahin-drainy tokoa izy; dia ampandovay ny zara-tanin-drainy izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Marina ny tenin'ny zanakavavin'i Zelofada: omeo zara-tany eo amin'ny rahalahin-drainy tokoa izy; dia ampandovay ny zara-tanin-drainy izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Marina ny tenin’ny zanakavavin’i Zelofada: Omeo zaratany eo amin’ny rahalahin-drainy tokoa izy; dia ampandovay ny zaratanin’ny rainy izy.

Jereo ny toko



Nomery 27:7
10 Rohy Ifampitohizana  

Tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ireo zanaka vavin’i Jôba ireo tamin’ny tany rehetra; nomen-drainy anjara lova eo amin’ireo anadahiny izy.


Mihirà ho an’Andriamanitra, mankalazà ny Anarany! Misavà lalana ho an’ilay tamy mamaky ny tany lemaka! Iaveh no Anarany, mifalia eo anatrehany!


Ilaozy ny kambotinao, fa Izaho no hamelona azy, ary Izaho no aoka hitokian’ny mpitondra tena ao aminao.


ka hoy i Iaveh tamin’i Môizy:


Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao hoe: Raha misy lehilahy maty tsy manan-janaka lahy, dia ny zanany vavy no hamindranareo ny lovany.


Ary nanome izao didy izao i Môizy ho an’ny zanak’i Israely araka ny tenin’i Iaveh, nanao hoe: «Marina ny tenin’ny fokon’ny zanak’i Josefa.


Ka izao no didin’i Iaveh ny amin’ny zanaka vavin’i Salfaada: hanambady izay tiany izy, nefa ny ao amin’ny fianakavian’ny fokon-drainy ihany no ho vadiny;


Ka tsy misy Jody na Jentily intsony; tsy misy mpanompo na tsy mpanompo, tsy misy lahy na vavy intsony, fa tena iray ihany ianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesoa.


Nankeo anatrehan’i Eleazara mpisorona sy teo anatrehan’i Jôsoe zanak’i Nona, sy teo anatrehan’ny filohany izy ireo, ka nanao hoe: «Nandidy an’i Môizy i Iaveh hanome zara tany anay eo amin’ny anadahinay.» Dia nomena zara tany teo amin’ny rahalahin-drainy izy ireo, araka ny didin’i Iaveh.