Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 36:5 - Baiboly Katolika

5 Ary nanome izao didy izao i Môizy ho an’ny zanak’i Israely araka ny tenin’i Iaveh, nanao hoe: «Marina ny tenin’ny fokon’ny zanak’i Josefa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Ary nandidy ny Zanak’Israely araka ny tenin’NY TOMPO i Mosesy hoe: Marina ny tenin’ireo foko taranak’i Josefa.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

5 Dia nanome izao didy izao araka ny tenin’ny TOMPO i Mosesy ka nanao hoe: –Marina ny an’ireto taranak’i Jôsefa ireto.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Dia nanome izao didy izao araka ny tenin’ny TOMPO i Mosesy ka nanao hoe: –Marina ny an’ireto taranak’i Jôsefa ireto.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary Mosesy nandidy ny Zanak’Isiraely araka ny tenin’i Jehovah ka nanao hoe: Marina ny tenin’ny firenena taranak’i Josefa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary Mosesy nandidy ny Zanak'Isiraely araka ny tenin'i Jehovah ka nanao hoe: Marina ny tenin'ny firenena taranak'i Josefa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Ary nandidy ny Zanak’Israely araka ny tenin’NY TOMPO i Mosesy hoe: Marina ny tenin’ireo foko taranak’i Josefa.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 36:5
4 Rohy Ifampitohizana  

«Zavatra araka ny rariny tsara ny nolazain’ny zanaka vavin’i Salfaada, ka omeo zaratany ho lovany eo amin’ny rahalahin-drainy izy, dia ny anjaran-drainy no atolory ho lovany.


Ary rehefa tonga ny Jobily ho an’ny zanak’i Israely, ny lovany dia hanampy ny an’izay hidirany, ka halana amin’ny lovan’ny fokon-drazanay ny lovany.»


Ka izao no didin’i Iaveh ny amin’ny zanaka vavin’i Salfaada: hanambady izay tiany izy, nefa ny ao amin’ny fianakavian’ny fokon-drainy ihany no ho vadiny;


Fa ianao kosa, mijanòna eto amiko, dia holazaiko aminao ny lalàna sy didy amam-pitsipika rehetra hampianarinao azy, mba harahiny any amin’ny tany izay omeko azy ho fananany.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra