Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 27:5 - Baiboly Katolika

Dia nentin’i Môizy teo anatrehan’i Iaveh ny fitarainan’izy ireo,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nalahatr’i Mosesy teo anatrehan’NY TOMPO ny raharahan’ireo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nentin’i Mosesy teo amin’ny TOMPO ny fitarainan’izy dimy mirahavavy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nentin’i Mosesy teo amin’ny TOMPO ny fitarainan’izy dimy mirahavavy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nalahatr’i Mosesy teo anatrehan’i Jehovah ny tenin’ireo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nalahatr'i Mosesy teo anatrehan'i Jehovah ny tenin'ireo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nalahatr’i Mosesy teo anatrehan’NY TOMPO ny raharahan’ireo.

Jereo ny toko



Nomery 27:5
12 Rohy Ifampitohizana  

Dia halahatro eo anatrehany ny momba ahy, ary hofenoiko teny fahamarinana ny vavako!


Fa eo no hihaonako aminao; ary eo ambonin’ny fanaovam-panavotana, anelanelan’ny kerobima roa, izay ao ambonin’ny fiaran’ny vavolombelona, no hampandrenesako anao ny didy rehetra homeko anao ho an’ny zanak’i Israely.»


Dia nambenana ralehilahy, fa mbola tsy tapaka izay hanaovana azy.


Izy hankeo anatrehan’i Eleazara mpisorona izay hanadina amin’ny fitsaràn’ny Orima ho azy, eo anatrehan’i Iaveh, ka araka ny teniny no hivoahan’i Jôsoe, araka ny teniny no hidirany, dia i Jôsoe, ny zanak’i Israely rehetra miaraka aminy, ary ny fiangonana rehetra. Hitarika azy hivoaka sy hiditra, hitondra sy hifehy azy.


Ka raha saingy tsy nanan-janaka lahy izy, nahoana no dia hovonoina tsy ho eo amin’ny fokony ny anaran’ny rainay? Mba omeo zaratany eo amin’ny rahalahin-drainay izahay.»


ka hoy i Iaveh tamin’i Môizy:


«Nodidian’i Iaveh ny tompoko hizara amin’ny filokana ny tany holovan’ny zanak’i Israely; nodidian’i Iaveh koa ny tompoko hanome ny lovan’i Salfaada rahalahinay, ho an’ny zanany vavy.


Hoy ny navalin’i Môizy azy: «Andraso aloha handrenesako izay handidian’i Iaveh anareo.»


Nankeo anatrehan’i Eleazara mpisorona sy teo anatrehan’i Jôsoe zanak’i Nona, sy teo anatrehan’ny filohany izy ireo, ka nanao hoe: «Nandidy an’i Môizy i Iaveh hanome zara tany anay eo amin’ny anadahinay.» Dia nomena zara tany teo amin’ny rahalahin-drainy izy ireo, araka ny didin’i Iaveh.