Hiampatrampatra amin’ity efitra ity ny fatinareo. Ianareo rehetra izay efa nanaovana fanisana ka voaisa, ny efa roapolo taona no ho miakatra, izay efa nimonomonona tamiko,
Nomery 26:64 - Baiboly Katolika Tamin’izy ireo, dia tsy nisy na dia iray aza anisan’ny zanak’i Israely, izay efa nisain’i Môizy sy i Aarôna mpisorona tany an’efitra Sinaia. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’ireo dia tsy nahitana olona avy tamin’izay efa voaisan’i Mosesy sy i Arona mpisorona tamin’izy nanisa ny Zanak’Israely tany an-tany efitr’i Sinay. DIEM PROTESTANTA Tamin’izy ireo dia tsy nahitana na iray aza tamin’izay efa voaisan’i Mosesy sy i Aharôna mpisorona tamin’ny fanisàm-bahoaka natao tamin’ny Israelita tany an-taniefitr’i Sinay, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’izy ireo dia tsy nahitana na iray aza tamin’izay efa voaisan’i Mosesy sy i Aharôna mpisorona tamin’ny fanisàm-bahoaka natao tamin’ny Israelita tany an-taniefitr’i Sinay, Baiboly Protestanta Malagasy Ary tamin’ireo dia tsy nisy olona avy tamin’izay efa voalamin’i Mosesy sy Arona mpisorona tamin’izy nandamina ny Zanak’Isiraely tany an-efitr’i Sinay. Malagasy Bible Ary tamin'ireo dia tsy nisy olona avy tamin'izay efa voalamin'i Mosesy sy Arona mpisorona tamin'izy nandamina ny Zanak'Isiraely tany an-efitr'i Sinay. La Bible en Malgache Tamin’ireo dia tsy nahitana olona avy tamin’izay efa voaisan’i Mosesy sy i Arona mpisorona tamin’izy nanisa ny Zanak’Israely tany an-tany efitr’i Sinay. |
Hiampatrampatra amin’ity efitra ity ny fatinareo. Ianareo rehetra izay efa nanaovana fanisana ka voaisa, ny efa roapolo taona no ho miakatra, izay efa nimonomonona tamiko,
Ireo no lehilahy voaisan’i Môizy sy i Eleazara mpisorona, izay nanisa ny zanak’i Israely teo amin’ny tany lemak’i Moaba, akaikin’i Jordany, tandrifin’i Jerikô.
«Maty tany an’efitra ny rainay; izy tsy mba anatin’ilay antokony, izay niray tetika hiodina amin’i Iaveh, dia ny antokon’i Kôre, fa maty noho ny fahotany izy, ary tsy mba nanan-janakalahy izy.
Tsy sitrak’Andriamanitra anefa ny ankabeazan’izy ireny, fa lambam-bary tany an’efitra.
Iza no nahatezitra Azy, nandritra ny efapolo taona? Moa tsy ry zareo nanota va, ka niampatrampatra tany an’efitra ny fatiny?
Izao no antony namoran’i Jôsoe azy: Ny vahoaka rehetra nivoaka avy tany Ejipta, ny lehilahy, ny mpiantafika rehetra dia efa maty tany an’efitra avokoa, teny an-dalana, taorian’ny nivoahany avy tany Ejipta.