Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 26:63 - Baiboly Katolika

63 Ireo no lehilahy voaisan’i Môizy sy i Eleazara mpisorona, izay nanisa ny zanak’i Israely teo amin’ny tany lemak’i Moaba, akaikin’i Jordany, tandrifin’i Jerikô.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

63 Ireo no voaisan’i Mosesy sy i Eleazara mpisorona, izay nanisa ny Zanak’Israely tany Arbota-Moaba, teo amoron’i Jordana, tandrifin’i Jeriko.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

63 Ireo no vokatry ny fanisàm-bahoaka nataon’i Mosesy sy i Elehazara mpisorona tamin’ny Israelita tao amin’ny lemak’i Môaba, amoron’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

63 Ireo no vokatry ny fanisàm-bahoaka nataon’i Mosesy sy i Elehazara mpisorona tamin’ny Israelita tao amin’ny lemak’i Môaba, amoron’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

63 Ireo no voalamin’i Mosesy sy Eleazara mpisorona, izay nandamina ny Zanak’Isiraely teo Arbota-moaba, teo amoron’i Jordana tandrifin’i Jeriko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

63 Ireo no voalamin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona, izay nandamina ny Zanak'Isiraely teo Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

63 Ireo no voaisan’i Mosesy sy i Eleazara mpisorona, izay nanisa ny Zanak’Israely tany Arbota-Moaba, teo amoron’i Jordana, tandrifin’i Jeriko.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 26:63
5 Rohy Ifampitohizana  

Araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy; dia nataony ny fanisana tany an’efitra Sinaia.


Dia nilaza tamin’ny olona i Môizy sy i Eleazara mpisorona, tao amin’ny tany lemak’i Moaba, akaikin’i Jordany, tandrifin’i Jerikô, ka nanao hoe:


Ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra voaisa tamin’izy ireo dia 23.000. Fa tsy mba anatin’ny voaisa tamin’ny zanak’i Israely izy ireo, satria tsy mba nomena zaratany teo afovoan’ny zanak’i Israely.


Tamin’izy ireo, dia tsy nisy na dia iray aza anisan’ny zanak’i Israely, izay efa nisain’i Môizy sy i Aarôna mpisorona tany an’efitra Sinaia.


Satria efapolo taona no nandehanan’ny zanak’i Israely tany an’efitra, mandra-pahalàny ritra ny firenena rehetra, dia ny mpiantafika rehetra nivoaka avy tany Ejipta, fa tsy nihaino ny feon’i Iaveh, ka efa nianianan’i Iaveh taminy fa izy ireo tsy havelany hahita ny tany izay nianianany tamin’ny razanay homena antsika, tany tondra-dronono sy tantely.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra