Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 26:64 - DIEM PROTESTANTA

64 Tamin’izy ireo dia tsy nahitana na iray aza tamin’izay efa voaisan’i Mosesy sy i Aharôna mpisorona tamin’ny fanisàm-bahoaka natao tamin’ny Israelita tany an-taniefitr’i Sinay,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

64 Tamin’ireo dia tsy nahitana olona avy tamin’izay efa voaisan’i Mosesy sy i Arona mpisorona tamin’izy nanisa ny Zanak’Israely tany an-tany efitr’i Sinay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

64 Tamin’izy ireo dia tsy nahitana na iray aza tamin’izay efa voaisan’i Mosesy sy i Aharôna mpisorona tamin’ny fanisàm-bahoaka natao tamin’ny Israelita tany an-taniefitr’i Sinay,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

64 Tamin’izy ireo, dia tsy nisy na dia iray aza anisan’ny zanak’i Israely, izay efa nisain’i Môizy sy i Aarôna mpisorona tany an’efitra Sinaia.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

64 Ary tamin’ireo dia tsy nisy olona avy tamin’izay efa voalamin’i Mosesy sy Arona mpisorona tamin’izy nandamina ny Zanak’Isiraely tany an-efitr’i Sinay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

64 Ary tamin'ireo dia tsy nisy olona avy tamin'izay efa voalamin'i Mosesy sy Arona mpisorona tamin'izy nandamina ny Zanak'Isiraely tany an-efitr'i Sinay.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

64 Tamin’ireo dia tsy nahitana olona avy tamin’izay efa voaisan’i Mosesy sy i Arona mpisorona tamin’izy nanisa ny Zanak’Israely tany an-tany efitr’i Sinay.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 26:64
10 Rohy Ifampitohizana  

Ho faty ka hiampatrampatra amin’ity taniefitra ity ianareo. Ianareo rehetra izay nanaovana fanisana, dia ny roapolo taona no ho miakatra fahizany, no ho faty satria efa nimonomonona tamiko.


Ianareo izany ho faty ka hiampatrampatra amin’ity taniefitra ity;


Ireo no vokatry ny fanisàm-bahoaka nataon’i Mosesy sy i Elehazara mpisorona tamin’ny Israelita tao amin’ny lemak’i Môaba, amoron’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao.


–Maty tany an-taniefitra ny rainay, nefa tsy mba isan’ny tarik’i Kôra izay niara-nioko hiodina tamin’ny TOMPO; fa matin’ny fahotany ihany izy, nefa tsy nanan-janakalahy.


Kanefa tsy sitrak’Andriamanitra ny ankabeazan-dry zareo ka maty ripaka tany an-taniefitra.


Ary iza no nahatezitra an’Andriamanitra nandritra ny efapolo taona? Ireo nanota ka niampatrampatra tany an-taniefitra ny fatiny.


Fony niala tany Ejipta ny vahoaka Israelita, ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana dia samy efa voafora avokoa; nefa maty teny an-dalana tany an-taniefitra avokoa ireo. Fa ny zazalahy teraka teny an-dalana tany an-taniefitra kosa dia tsy mbola nisy voafora: izany no anton’ny namoran’i Josoa azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra