Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 26:54 - Baiboly Katolika

Ny maro isa homenao ny zaratany bebe kokoa, ny vitsy isa kosa homenao anjara kelikely kokoa, ka dia samy homena ny anjara lovany araka izay voaisa aminy izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny maro isa dia homenao zaratany lehibe kokoa ary ny vitsy an’isa dia homenao kely kokoa; samy araka izay voaisa taminy no hanomezana ny zaratany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny foko izay maro an’isa dia homenao zaratany lehibe kokoa, fa izay vitsy kosa dia homenao kelikely kokoa; arakaraka ny isany ihany no hanomezanao ny zaratany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny foko izay maro an’isa dia homenao zaratany lehibe kokoa, fa izay vitsy kosa dia homenao kelikely kokoa; arakaraka ny isany ihany no hanomezanao ny zaratany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ny maro isa homenao zara-tany bebe kokoa, ary ny vitsy isa homenao kelikely kokoa; samy araka ny voalamina taminy no hanomezana ny zara-taniny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ny maro isa homenao zara-tany bebe kokoa, ary ny vitsy isa homenao kelikely kokoa; samy araka ny voalamina taminy no hanomezana ny zara-taniny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny maro isa dia homenao zaratany lehibe kokoa ary ny vitsy an’isa dia homenao kely kokoa; samy araka izay voaisa taminy no hanomezana ny zaratany.

Jereo ny toko



Nomery 26:54
7 Rohy Ifampitohizana  

«Ireo no hizarana ny tany ho lovany, araka ny isan’ny anarany avy.


«I Atarôta, i Dibôna, i Jazera, i Nemrà, i Hesebona, i Eleale, i Nebô ary i Beôna,


ka hoy izy nanampy teny hoe: «Raha nahita fitia teo imasonao izahay, dia aoka io tany io no homenao ho zarataninay mpanomponao, fa aza dia ampitaina any Jordany izahay.»


Filokana no hizarànareo ny tany araka ny fokonareo avy: ny maro isa homenareo anjara loka bebe kokoa, ny vitsy isa homenareo anjara lova kelikely kokoa; ka izay ho azony amin’ny filokana no ho anjarany avy; horaisinareo ho fanananareo araka ny fokom-pianakavianareo avy izany.


Ny zaratanin’ny zanak’i Israely hanomezanareo ireo tanàna ireo, dia izay manam-be no hangalanareo be ary izay manan-kely no hangalanareo kely; ka dia samy hanome ny Levita amin’ny tanànany araka ny lova noraisiny avy izy ireo.»


Ary niteny tamin’i Jôsoe, ny taranak’i Josefa ka nanao hoe: «Efa tonga vahoaka be izahay izao, ary notahin’i Iaveh mandraka androany izahay, ka nahoana no dia loka iray sy anjara iray ihany no nomenao anay?»


Ny anjaran’ny taranak’i Jodà no nangalana ho lovan’ny taranak’i Simeôna, satria ny anjaran’ny taranak’i Jodà dia lehibe loatra ho azy ireo, ka tao afovoan’ny taniny no nahazoan’ny taranak’i Simeôna ny lovany.