Natsotran’i Israely ny tanany havanana, ka napetrany tamin’ny lohan’i Efraima izay zandriny; ary ny tanany havia tamin’ny lohan’i Manase; niniany natao toy izany ny tanany, fa i Manase no zokiny.
Nomery 26:29 - Baiboly Katolika Zanak’i Manase: ny fokon’ny Makirita avy tamin’i Makira, ary i Makira niteraka an’i Galaada, ny fokon’ny Galaadita avy tamin’i Galaada. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny taranak’i Manase dia izao: Avy tamin’i Makira, ny fianakavian’ny Makirita; ary i Makira no niteraka an’i Gileada; avy tamin’i Gileada, ny fianakavian’ny Gileadita. DIEM PROTESTANTA Ny fokon’i Manase dia nisy ireto tarika ireto: ny Makirita avy tamin’i Makira; ny Gilehadita avy tamin’i Gilehada zanakalahin’i Makira. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny fokon’i Manase dia nisy ireto tarika ireto: ny Makirita avy tamin’i Makira; ny Gilehadita avy tamin’i Gilehada zanakalahin’i Makira. Baiboly Protestanta Malagasy Ny taranak’i Manase dia izao: avy tamin’i Makira ny fokon’ny Makirita; ary Makira niteraka an’i Gileada; avy tamin’i Gileada ny fokon’ny Gileadita. Malagasy Bible Ny taranak'i Manase dia izao: avy tamin'i Makira ny fokon'ny Makirita; ary Makira niteraka an'i Gileada; avy tamin'i Gileada ny fokon'ny Gileadita. La Bible en Malgache Ny taranak’i Manase dia izao: Avy tamin’i Makira, ny fianakavian’ny Makirita; ary i Makira no niteraka an’i Gileada; avy tamin’i Gileada, ny fianakavian’ny Gileadita. |
Natsotran’i Israely ny tanany havanana, ka napetrany tamin’ny lohan’i Efraima izay zandriny; ary ny tanany havia tamin’ny lohan’i Manase; niniany natao toy izany ny tanany, fa i Manase no zokiny.
Nahita ny terak’i Efraima hatramin’ny taranaka fahatelo izy. Ary nisy koa zanak’i Makira zanak’i Manase izay teraka ka noraisin’i Josefa teo am-pofoany.
Manaraka izany, niray tamin’ny zanaka vavin’i Makira, rain’i Galaada, i Hesrôna; efa enimpolo taona izy vao naka azy, ary niteraka an’i Segoba taminy, ravehivavy.
Nanatona niteny teo anatrehan’i Môizy sy teo anatrehan’ny lehibe, lohan’ny fokom-pianakavian’ny zanak’i Israely, ny loham-pianakavian’i Galaada, zanak’i Makira zanak’i Manase zanak’i Josefa. Hoy izy ireo hoe:
Mbola nisy zara tany koa ho an’ny fokon’i Manase araka ny filokana noho izy lahimatoan’i Josefa. I Makira lahimatoan’i Manase sy rain’i Galaada dia nahazo an’i Galaada sy i Basana, satria lehilahy mpiantafika izy.
Avy any amin’i Efraima ny olona izay mandatsa-paka amin’i Amaleka; nikambana tamin’ny antokonao i Benjamina teo aorianao; avy any amin’i Makira nisy lehibe nidina, avy any amin’i Zabolôna nisy mpitondra nitana ny tehin’ny mpanoratra.