Ary hoy i Elia tamin’izy ireo: «Sambory ny mpaminanin’i Baala, ka aoka tsy hisy ho afa-mandositra na dia iray aza.» Dia nosamboriny ireny, ka nampidinin’i Elia teo amin’ny ranon’i Sisaona, dia novonoiny teo.
Nomery 25:5 - Baiboly Katolika Dia hoy i Môizy tamin’ny mpitsaran’i Israely: «Samia ianareo mamono ny olom-peheziny izay niray tamin’i Beelfegôra.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy i Mosesy tamin’ireo mpitsara ny Israely: Samia ianareo mamono ny olom-peheziny izay niray tamin’i Baala-Peora! DIEM PROTESTANTA Dia hoy i Mosesy tamin’ny mpitsara israelita: –Aoka ianareo tsirairay avy samy hamono hahafaty ny olom-peheziny izay nanolo-tena hivavaka tao Bahàla-Pehôra! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy i Mosesy tamin’ny mpitsara israelita: –Aoka ianareo tsirairay avy samy hamono hahafaty ny olom-peheziny izay nanolo-tena hivavaka tao Bahàla-Pehôra! Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy Mosesy tamin’ny mpitsara ny Isiraely: Samia hianareo mamono ny olom-peheziny, izay niray tamin’i Bala-peora. Malagasy Bible Dia hoy Mosesy tamin'ny mpitsara ny Isiraely: Samia ianareo mamono ny olom-peheziny, izay niray tamin'i Bala-peora. La Bible en Malgache Dia hoy i Mosesy tamin’ireo mpitsara ny Israely: Samia ianareo mamono ny olom-peheziny izay niray tamin’i Baala-Peora! |
Ary hoy i Elia tamin’izy ireo: «Sambory ny mpaminanin’i Baala, ka aoka tsy hisy ho afa-mandositra na dia iray aza.» Dia nosamboriny ireny, ka nampidinin’i Elia teo amin’ny ranon’i Sisaona, dia novonoiny teo.
Ary ankehitriny dia ifidiano lehilahy mahay sy matahotra an’Andriamanitra, ao amin’ny vahoaka rehetra, lehilahy marina sy tsy tia kolikoly, ka ireny no atsangano ho tomponarivo sy tompon-jato, ary mpifehy dimampolo ama-mpifehy folo, hitondra azy ireo.
«Ataovy anatema izay manolotra sorona amin’ny andriamanitra, fa tsy amin’i Iaveh irery.
Niray tamin’i Beelfegôra i Israely, ka nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh.
Nisy tena ratsy fanahy nivoaka avy tany aminao, ka nitaona ny mponina eo an-tanànany, nanao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa, andriamanitra tsy fantatrareo,
dia tsy maintsy hovonoina amin’ny lelan-tsabatra ny mponina ao amin’io tanàna io, hatao anatema ny tanàna mbamin’izay rehetra ao anatiny, ary ny biby fiompiny dia hovonoinao amin’ny sabatra.
Raha mitaona anao mangingina ny rahalahinao zanaky ny reninao, na ny zanakao lahy, na ny zanako vavy, na ny vehivavy izay am-pofoanao, na ny sakaiza toy ny ainao, ka manao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa, dia andriamanitra tsy fantatrao na ny razanao akory,
fa vonoy ho faty izy, ka ny tananao mihitsy no aoka hiainga voalohany hamely azy ho faty vao ny tanan’ny vahoaka rehetra.
Tsy ampy ho antsika va ny heloka tamin’i Fogôra, nefa mbola tsy nahadio tena ho afaka amin’izany isika mandraka androany, na dia efa nasian’ny loza aza ny fiangonan’i Iaveh,