Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 25:4 - Baiboly Katolika

4 Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Vorio daholo ny filohan’ny vahoaka rehetra, ka ahantòny tandrifin’ny masoandro, eo anatrehan’i Iaveh, ireo ratsy, mba hitsaharan’ny firehetan’ny fahatezeran’i Iaveh amin’i Israely.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Alao ny loholona rehetra ary ahantòny tandrifin’ny masoandro eo anatrehan’NY TOMPO ireo nijangajanga ireo mba hitsahatra ny firehetan’ny fahatezeran’NY TOMPO amin’ny Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

4 Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Alao ny filohan’ny vahoaka; dia eo anoloako no anantony azy manatrika ny masoandro, mba hampitony ny fahatezerako mirehitra aminareo Israelita.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Alao ny filohan’ny vahoaka; dia eo anoloako no anantony azy manatrika ny masoandro, mba hampitony ny fahatezerako mirehitra aminareo Israelita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Dia hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Alao ny loholona rehetra, ary ahantòny tandrifin’ny masoandro eo anatrehan’i Jehovah ireo nijangajanga ireo, mba hitsaharan’ny firehetan’ny fahatezeran’i Jehovah amin’ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Alao ny loholona rehetra, ary ahantòny tandrifin'ny masoandro eo anatrehan'i Jehovah ireo nijangajanga ireo, mba hitsaharan'ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah amin'ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Alao ny loholona rehetra ary ahantòny tandrifin’ny masoandro eo anatrehan’NY TOMPO ireo nijangajanga ireo mba hitsahatra ny firehetan’ny fahatezeran’NY TOMPO amin’ny Israely.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 25:4
21 Rohy Ifampitohizana  

Ka tolory fito lahy amin’ny taranany izahay mba hahantonay eo anatrehan’i Iaveh, any Gabaàn’i Saola, ilay voafidin’i Iaveh.» Dia hoy ny mpanjaka: «Hatolotro ireo.»


dia natolony ireo ho eo an-tanan’ny Gabaônita, ka nahantony tany an-tendrombohitra teo anatrehan’i Iaveh. Niara-maty izy fito lahy tamin’ny andro voalohan’ny fijinjana, fiandohan’ny fijinjana ny orja.


Nampahatezitra an’i Iaveh tamin’ny nataony izy ireo, dia nibosesehan’ny loza.


fa nifidy izay lehilahy mahay tamin’i Israely rehetra izy, ka notendreny teo amin’ny vahoaka ireo ho tomponarivo sy tompon-jato, ary mpifehy dimampolo ama-mpifehy folo.


Ndrao mba avy ihany izay hanenenan’Andriamanitra sy hitonen’ny hatezerany mirehitra, ka mba tsy haripaka isika».


«I Finea, zanak’i Eleazara, zanak’i Aarôna mpisorona, no nampiala ny hatezerako tamin’ny zanak’i Israely, satria noho izy nazoto nitandro ny voninahitro teo afovoan’izy ireo, dia tsy nandringana ny zanak’i Israely Aho tamin’ny fahazotoako hitandro ny voninahitro.


fa niseho ho fahavalonareo tamin’ny nataony anareo, raha nanangoly anareo tamin’ny hafetseny izy; ary i Fogôra no nentiny hanao izany, sy Kozbì koa, zanaka vavin’ny lehibe anankiray any Madiàna, anabaviny, izay novonoina tamin’ny andron’ny loza nitranga noho ny amin’i Fogôra.»


Ary handre izany i Israely rehetra, dia ho raiki-tahotra ka tsy hanao izany heloka bevava izany eo aminao intsony.


Nisy tena ratsy fanahy nivoaka avy tany aminao, ka nitaona ny mponina eo an-tanànany, nanao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa, andriamanitra tsy fantatrareo,


dia tsy maintsy hovonoina amin’ny lelan-tsabatra ny mponina ao amin’io tanàna io, hatao anatema ny tanàna mbamin’izay rehetra ao anatiny, ary ny biby fiompiny dia hovonoinao amin’ny sabatra.


Rehefa mety ho zavatra natao anatema, dia aoka tsy hisy hofihinin’ny tananao, mba hiononan’i Iaveh amin’ny firehetan’ny fahatezerany, sy hanaovany fiantrana amam-pamindram-po aminao, dia hohamaroiny ianao, araka ny efa nianianany tamin’ny razanao,


«Raha misy olona manao heloka mahafaty, ka novonoina sy nahantona amin’ny hazo,


dia tsy hiloaka alina eo ambony hazo ny fatiny, fa tsy maintsy alevinao mihitsy androtr’iny ihany, satria hiharan’ny fanozonan’Andriamanitra ny faty mihantona, ka aza lotoina ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao ho lova.»


Masonareo no nahita ny nataon’i Iaveh, noho ny amin’i Baala-Fogôra. Naringan’i Iaveh teo afovoanareo avokoa izay rehetra nanaraka an’i Baala-Fogôra;


Tsy ampy ho antsika va ny heloka tamin’i Fogôra, nefa mbola tsy nahadio tena ho afaka amin’izany isika mandraka androany, na dia efa nasian’ny loza aza ny fiangonan’i Iaveh,


Koa nantsoin’i Jôsoe avokoa i Israely rehetra, ny loholony, ny lehibeny, ny mpitsara azy, ary ny manamboninahiny, ka hoy izy taminy: «Efa zokiolona sy mandroso fahanterana aho.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra