Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nomery 25:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Alao ny filohan’ny vahoaka; dia eo anoloako no anantony azy manatrika ny masoandro, mba hampitony ny fahatezerako mirehitra aminareo Israelita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Alao ny loholona rehetra ary ahantòny tandrifin’ny masoandro eo anatrehan’NY TOMPO ireo nijangajanga ireo mba hitsahatra ny firehetan’ny fahatezeran’NY TOMPO amin’ny Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Alao ny filohan’ny vahoaka; dia eo anoloako no anantony azy manatrika ny masoandro, mba hampitony ny fahatezerako mirehitra aminareo Israelita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Vorio daholo ny filohan’ny vahoaka rehetra, ka ahantòny tandrifin’ny masoandro, eo anatrehan’i Iaveh, ireo ratsy, mba hitsaharan’ny firehetan’ny fahatezeran’i Iaveh amin’i Israely.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Dia hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Alao ny loholona rehetra, ary ahantòny tandrifin’ny masoandro eo anatrehan’i Jehovah ireo nijangajanga ireo, mba hitsaharan’ny firehetan’ny fahatezeran’i Jehovah amin’ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Alao ny loholona rehetra, ary ahantòny tandrifin'ny masoandro eo anatrehan'i Jehovah ireo nijangajanga ireo, mba hitsaharan'ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah amin'ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 25:4
21 Rohy Ifampitohizana  

ka avelao hisy fito lahy amin’ny taranany hatolotra anay mba hahantonay eo anatrehan’ny TOMPO ao Gibehà tanànan’i Saoly ilay mpanjaka voafidin’ny TOMPO. Ka hoy ny mpanjaka: –Hatolotro ireo.


Natolotr’i Davida teo an-tanan’ny Gibehônita izy fito lahy ka nahanton’ireo teo an-kavoana iray teo anatrehan’ny TOMPO. Niara-maty avokoa izy fito lahy, satria samy novonoina ho faty tamin’ny fiandohan’ny vaninandro fijinjana ôrza.


Nampahatezitra ny Tompo izy tamin’izany, koa namely azy tampoka ny areti-mandringana.


nifidy lehilahy be herimpo teo amin’ny Israelita izy, ka nanendry azy ho tompon’andraikitra amin’ny vahoaka, ho mpifehy arivo sy mpifehy zato na ho mpifehy dimampolo sy mpifehy folo.


Iza no mahalala? Angamba hiova fanapahan-kevitra ihany Andriamanitra ka hiala amin’ny fahatezerany mirehitra mba tsy hahafaty antsika.»


–I Pinehasa, zanakalahin’i Elehazara sady zafikelin’i Aharôna mpisorona, no nampiala ny fahatezerako tamin’ny Israelita satria niseho ho saro-piaro momba Ahy teo anivon’izy ireo; ka dia tsy nataoko lany ringana ny Israelita, na dia saro-piaro amin’ny maha Andriamanitra Ahy aza Aho.


fa fahavalo mpamitaka anareo tamin’ny raharahan’i Pehôra sy tamin’ny raharahan’i Kôzbỳ izay zanakavavin’ny manampahefana midianîta anankiray, ka maty novonoina tamin’ny andron’ny areti-mandringana vokatry ny raharahan’i Pehôra.


Torahy vato izy ho faty, satria efa nitady hitaona anareo hiala amin’ny TOMPO Andriamanitrareo, Izay namoaka anareo tany Ejipta toera-nanandevozana anareo.


Mety anankiray amin’ny tanàna nomen’ny TOMPO Andriamanitrareo honenanareo, no holazaina hoe:


dia dinihonareo sy anontanio ary fotory tsara. Raha nisy marina ka natao teo anivonareo izany zavatra mahatsiravina izany,


angony eo afovoan’ny kianja ny entana rehetra voababo, ka dory avokoa na ny tanàna sy ireo entana ireo mba hafoy ho an’ny TOMPO Andriamanitra; dia ho tanàna aolo lalandava izany tanàna izany ka tsy haorina intsony.


Mety hisy olona manao heloka tokony hahafaty azy ka novonoina ary nahantona amin’ny hazo ilay fatiny.


Tsy havelanareo hiloaka alina eo amin’ny hazo izany faty izany, fa tsy maintsy halevinareo androtriny ihany, satria voaozon’Andriamanitra ny faty mihantona amin’ny hazo; koa aza lotoina ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo.


Efa nahita maso izay nataon’ny TOMPO noho ny amin’ilay Bahala tao Pehôra ianareo; fa ny olona rehetra nanompo an’io Bahala io taminareo, dia naringan’ny TOMPO Andriamanitrareo tsy ho eo aminareo intsony.


Moa mbola tsy ampy ho antsika ve ny heloka tao Pehôra, izay tsy mbola nodiovina ho afaka amintsika mandraka androany na dia efa nisy aza ny aretina nahavoa antsika fiangonan’ny TOMPO?


koa nantsoiny avokoa ny Israelita rehetra, anisan’izany ireo loholony sy lehibeny ary mpitsarany sy manamboninahiny, ka nilazany hoe: –Efa antitra be aho izao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra