Zovy no mahafantatra ny herin’ny fahatezeranao, ary ny fahaviniranao, araka ny fahatahorana mendrika hatao Anao?
Nomery 25:3 - Baiboly Katolika Niray tamin’i Beelfegôra i Israely, ka nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia niray tamin’i Baala-Peora ny Israely ka nirehitra taminy ny fahatezeran’NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Nanolo-tena hivavaka tao Bahala-Pehôra ny Israelita, ka nirehetan’ny fahatezeran’ny Tompo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nanolo-tena hivavaka tao Bahala-Pehôra ny Israelita, ka nirehetan’ny fahatezeran’ny Tompo. Baiboly Protestanta Malagasy Dia niray tamin’i Bala-peora ny Isiraely, ka nirehitra taminy ny fahatezeran’i Jehovah. Malagasy Bible Dia niray tamin'i Bala-peora ny Isiraely, ka nirehitra taminy ny fahatezeran'i Jehovah. La Bible en Malgache Dia niray tamin’i Baala-Peora ny Israely ka nirehitra taminy ny fahatezeran’NY TOMPO. |
Zovy no mahafantatra ny herin’ny fahatezeranao, ary ny fahaviniranao, araka ny fahatahorana mendrika hatao Anao?
Havelanao ho faty foana sady vokatry ny hadisoanao izany, ny lovako nomeko anao; hampanompoiko ny fahavalonao any amin’ny tany tsy fantatrao ianao, satria narehitrareo ny afon’ny fahatezerako, ka mirehitra ho amin’ny mandrakizay.
samy tsy hofaizako na ny zanaka vavinareo noho ny fijangajangany, na ny vinantovavinareo tanora noho ny fakàny vadin’olona; satria, na ireo koa aza, mihataka ho any amin’ny vehivavy janga, sy miara-manatitra sorona amin’ny karam-bavy. Ary mivarin-ko faty ny vahoaka tsy misaina.
Tahaka ny voaloboka any an’efitra no ahitako an’i Israely; tahaka ny voaloham-bokatry ny aviavy tanora no nahitako ny razanareo. Kanjo tonga tao Beelfegôra izy ireo, sy nanolo-tena ho an’ny sampy vetaveta, ka tonga vetaveta tahaka itsy zava-tiany ihany.
Dia hoy i Môizy tamin’ny mpitsaran’i Israely: «Samia ianareo mamono ny olom-peheziny izay niray tamin’i Beelfegôra.»
Ireo ihany anefa, noho ny tenin’i Balaama, no nitarika ny zanak’i Israely hivadika tamin’i Iaveh tamin’ilay raharaha tamin’i Fogôra, ka voan’ny loza tamin’izay ny fiangonan’Iaveh;
Tsy ampy ho antsika va ny heloka tamin’i Fogôra, nefa mbola tsy nahadio tena ho afaka amin’izany isika mandraka androany, na dia efa nasian’ny loza aza ny fiangonan’i Iaveh,
Dia nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh ka natolony ho eo an-tanan’ny fahavalony manodidina azy izy, ary tsy nahatanty ny fahavalony intsony.
Tamin’izany dia nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh ka hoy izy: «Noho ity firenena ity nivadika tamin’ny fanekena nandidiako ny razany ary noho izy ireo tsy nihaino ny feoko,