Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 24:19 - Baiboly Katolika

Misy mpifehy avy amin’i Jakôba, Ka haringany eny an-tanàna ny sisa tavela.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Avy amin’i Jakoba no isehoan’Izay hanapaka ka handringana izay sisa tao an-tanàna.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

fa misy mpanapaka hiseho avy amin’ny taranak’i Jakôba ka handringana ny sisa velona afa-mandositra avy ao Sehîra.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

fa misy mpanapaka hiseho avy amin’ny taranak’i Jakôba ka handringana ny sisa velona afa-mandositra avy ao Sehîra.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary avy amin’i Jakoba no isehoan’Izay hanapaka Ka handringana izay sisa avy ao an-tanàna.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary avy amin'i Jakoba no isehoan'Izay hanapaka ka handringana izay sisa avy ao an-tanàna.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Avy amin’i Jakoba no isehoan’Izay hanapaka ka handringana izay sisa tao an-tanàna.

Jereo ny toko



Nomery 24:19
19 Rohy Ifampitohizana  

Tsy hiala amin’i Jodà ny tehim-panjakana, tsy hiala eo anelanelan’ny tongony ny tehina fanapahana, mandra-piavin’i Silô: Izy no hotoavin’ny firenena.


Izao no hiseho amin’izany andro izany: Ny solofon’i Jese, voatsangana ho fanevan’ny vahoaka samihafa, dia hotadiavin’ny firenena, ary ho be voninahitra ny fonenany.


Koa noho izany, dia hanolotra an’ireny izy mandra-piavin’ny fotoana hiterahan’ilay tsy maintsy hiteraka; ary ny sisa amin’ireo rahalahiny dia hiverina amin’ny zanak’i Israely.


Izy no ho fiadanana. Rehefa ho tonga eto amin’ny tanintsika ny Asirianina, ka hanitsaka ny lapantsika ny tongony, dia hanangana mpiandry ondry fito isika, hamely azy, sy mpifehy ny vahoaka valo,


I Edôma dia lasan-ko fananany: Fa i Israely manampatra ny herim-pony.


Dia nahita an’i Amaleka i Balaama ka nilaza ny lahateniny nanao hoe: «I Amaleka no voalohany amin’ny firenena, Fa ho lany ringana no hiafarany.»


Dia ho any amin’ny fijaliana mandrakizay ireo, fa ny marina kosa, ho any amin’ny fiainana mandrakizay.


Ary i Jesoa nanatona azy ireo ka nilaza taminy hoe: «Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany;


ka hoy Izy: Nisy andriandahy anankiray nankany an-tany lavitra mba handray fanjakana, dia mbola hiverina.


Ary ireo fahavaloko tsy nety hanjakako ireo kosa dia ento atỳ, ka vonoy eto anatrehako.


Satria tsy maintsy manjaka Izy ambara-panaony ny fahavalony rehetra eo ambanin’ny tongony.


fa ny Zanaka kosa ataony hoe: Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria, ary ny tehim-pahitsiana no tehim-panjakanao.


dia Ilay nandevona ny fahafatesana mba hahatonga antsika ho mpandova ny fiainana mandrakizay, ary efa lasa any an-danitra, mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra, eken’ny Anjely sy ny fahefana ary ny hery.


izao no anarany voasoratra tamin’ny lambany sy ny feny: Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo.