Hiteny aminy ianao sy hanolotra ny teny hambarany; ary Izaho homba ny vavanao sy ny vavany, ary haneho aminareo izay tsy maintsy hataonareo.
Nomery 23:5 - Baiboly Katolika Dia nanisy teny tao am-bavan’i Balaama i Iaveh sy nanao taminy hoe: «Miverena any amin’i Balàka, ka izao sy izao lazaina aminy.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary NY TOMPO nanisy teny teo am-bavan’i Balama ka niteny hoe: Miverena any amin’i Balaka ka toy izany no holazainao. DIEM PROTESTANTA Nanisy teny tao am-bavan’i Balahama ny TOMPO, ary dia nanasa azy hiverina any amin’ny mpanjaka mba hilaza izany aminy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nanisy teny tao am-bavan’i Balahama ny TOMPO, ary dia nanasa azy hiverina any amin’ny mpanjaka mba hilaza izany aminy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Jehovah nanisy teny teo am-bavan’i Balama ka nanao hoe: Miverena any amin’i Balaka, ary izany no holazainao. Malagasy Bible Ary Jehovah nanisy teny teo am-bavan'i Balama ka nanao hoe: Miverena any amin'i Balaka, ary izany no holazainao. La Bible en Malgache Ary NY TOMPO nanisy teny teo am-bavan’i Balama ka niteny hoe: Miverena any amin’i Balaka ka toy izany no holazainao. |
Hiteny aminy ianao sy hanolotra ny teny hambarany; ary Izaho homba ny vavanao sy ny vavany, ary haneho aminareo izay tsy maintsy hataonareo.
Ny mamorona fikasana ao am-po no an’ny olona; fa ny famalian’ny lela dia avy amin’i Iaveh.
Nataoko tao am-bavanao ny teniko, ary noalofako tamin’ny aloky ny tanako ianao, mba hamboly lanitra sy hanorina tany, ary hilaza amin’i Siôna hoe: «Vahoakako ianao!»
Ary Izaho kosa, dia izao no fanekeko amin’izy ireo, hoy i Iaveh: Ny Fanahiko izay ao aminao, sy ny Teniko izay hataoko ao am-bavanao, dia tsy ho tapaka tsy ho eo am-bavanao, sy eo am-bavan’ny zanakao, ary eo am-bavan’ny zanaky ny zanakao, hatramin’izao ka ho mandrakizay, hoy i Iaveh.
Dia naninjitra ny tanany i Iaveh, ka nanendry ny vavako, ary hoy i Iaveh tamiko: «Indro ataoko eo am-bavanao ny teniko;
Nony alina dia tonga tamin’i Balaama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: «Raha tonga hiantso anao ireo olona ireo, dia mitsangàna, ka mandehana miaraka aminy, nefa izay holazaiko aminao ihany no hataonao.»
Hoy ny Anjelin’i Iaveh tamin’i Balaama: «Mandehana ihany miaraka amin’ireo lehilahy ireo, nefa aza milaza zavatra hafa afa-tsy izay holazaiko aminao.» Dia nandeha i Balaama, niaraka tamin’ny andriandahin’i Balàka.
Dia tonga nihaona tamin’i Balaama i Iaveh ka nanisy teny tao am-bavany, ary nilaza hoe: «Miverena any amin’i Balàka, ka izao sy izao no holazainao.»
Tonga nihaona tamin’i Balaama tokoa Andriamanitra, ka hoy i Balaama taminy: «Efa nanangana ny ôtely fito aho, ary efa nanatitra vantotr’ombalahy iray sy ondralahy iray avy isan’ôtely.»
Niverina nankany aminy izy, ka inty i Balàka sy ireo andriandahin’i Moaba nitoetra teo anilan’ny sorona dorany;
Tsy avy aminy anefa no nitenenany an’izany, fa noho izy lehiben’ny mpisorona tamin’izay taona izay, dia naminany izy fa ho faty ho an’ny firenena i Jesoa;
Hananganako mpaminany anankiray tahaka anao, avy eo amin’ny rahalahiny, izy; hapetrako eo am-bavany ny teniko dia holazainy amin’izy ireo ny zavatra rehetra handidiako azy.