Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 22:35 - Baiboly Katolika

35 Hoy ny Anjelin’i Iaveh tamin’i Balaama: «Mandehana ihany miaraka amin’ireo lehilahy ireo, nefa aza milaza zavatra hafa afa-tsy izay holazaiko aminao.» Dia nandeha i Balaama, niaraka tamin’ny andriandahin’i Balàka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

35 Hoy anefa ilay Anjelin’NY TOMPO tamin’i Balama: Mandehana ihany miaraka amin’ireo lehilahy ireo, kanefa ny teny izay holazaiko aminao ihany no holazainao. Dia nandeha i Balama niaraka tamin’ireo andriandahin’i Balaka.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

35 Fa hoy ny navalin’ilay anjelin’ny TOMPO azy: –Tsia! Mandehana ihany miaraka amin’ireo olona ireo, saingy izay teny asaiko lazainao ihany no holazainao. Dia nanohy ny diany niaraka tamin’ireo irak’i Balàka i Balahama.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

35 Fa hoy ny navalin’ilay anjelin’ny TOMPO azy: –Tsia! Mandehana ihany miaraka amin’ireo olona ireo, saingy izay teny asaiko lazainao ihany no holazainao. Dia nanohy ny diany niaraka tamin’ireo irak’i Balàka i Balahama.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

35 Fa hoy Ilay Anjelin’i Jehovah tamin’i Balama: Mandehana ihany miaraka amin’ireo lehilahy ireo, kanefa ny teny izay holazaiko aminao ihany no holazainao. Dia nandeha Balama niaraka tamin’ireo andriandahin’i Balaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

35 Fa hoy Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'i Balama: Mandehana ihany miaraka amin'ireo lehilahy ireo, kanefa ny teny izay holazaiko aminao ihany no holazainao. Dia nandeha Balama niaraka tamin'ireo andriandahin'i Balaka.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

35 Hoy anefa ilay Anjelin’NY TOMPO tamin’i Balama: Mandehana ihany miaraka amin’ireo lehilahy ireo, kanefa ny teny izay holazaiko aminao ihany no holazainao. Dia nandeha i Balama niaraka tamin’ireo andriandahin’i Balaka.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 22:35
8 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy ny navalin’i Mikea: «Velona i Iaveh! Izay hambaran’Andriamanitra no holazaiko.»


Kanjo tsy nihaino ny feoko ny vahoakako, tsy nakatò Ahy i Israely.


Hahita famonjena ny mandeha amin’ny fahamarinana tanteraka, fa ho lavo tsy afa-miarina intsony, ny manaraka lala-miolikolika.


Nony ren’i Balàka fa tamy i Balaama, dia nivoaka izy hitsena azy hatrany amin’ny tanàna Moaba eo amin’ny faritra Arnôna, any amin’ny sisin-tany indrindra. Hoy i Balàka tamin’i Balaama:


Fa tsy nety nihaino an’i Balaama aho, ka nitso-drano anareo izy, dia voavonjiko tamin’ny tanan’i Balàka ianareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra