Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 23:12 - Baiboly Katolika

Fa hoy ny navaliny nanao hoe: «Moa tsy tokony hotandremako va ny hilaza izay ataon’i Iaveh ato am-bavako?»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia namaly izy hoe: Tsy izay napetraky NY TOMPO tao am-bavako va no hotandremako ka tsy maintsy holazaiko?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa novalian’i Balahama hoe: –Moa tsy ny hilaza izay teny nataon’ny TOMPO tao am-bavako ihany ve no andraikitro.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa novalian’i Balahama hoe: –Moa tsy ny hilaza izay teny nataon’ny TOMPO tao am-bavako ihany ve no andraikitro.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia namaly izy ka nanao hoe: Tsy hotandremako va ny hilaza izay ataon’i Jehovah eto ambavako?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia namaly izy ka nanao hoe: Tsy hotandremako va ny hilaza izay ataon'i Jehovah eto am-bavako?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia namaly izy hoe: Tsy izay napetraky NY TOMPO tao am-bavako va no hotandremako ka tsy maintsy holazaiko?

Jereo ny toko



Nomery 23:12
11 Rohy Ifampitohizana  

Hiteny aminy ianao sy hanolotra ny teny hambarany; ary Izaho homba ny vavanao sy ny vavany, ary haneho aminareo izay tsy maintsy hataonareo.


koa aza matoky azy raha manao feo malefaka izy, fa fahavetavetana fito no ao am-pony.


Nony alina dia tonga tamin’i Balaama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: «Raha tonga hiantso anao ireo olona ireo, dia mitsangàna, ka mandehana miaraka aminy, nefa izay holazaiko aminao ihany no hataonao.»


Hoy i Balaama tamin’i Balàka: «Indro aho mankatỳ aminao; fa ankehitriny moa ho afa-milaza na inona na inona va aho? Ny teny hataon’Andriamanitra ao am-bavako no holazaiko.»


Dia hoy i Balàka taminy: «Andeha hiaraka amiko ianao ho any amin’ny toeran-kafa, izay hahitanao azy nefa ny sisiny ihany no ho hitanao, fa tsy ho izy manontolo, ary any dia ozòny izy.»


Indro efa nahazo teny hitso-drano aho; Izy efa nitso-drano, ka tsy hanova izany aho.


Fa hoy ny navalin’i Balaama an’i Balàka nanao hoe: «Moa tsy efa niteny taminao va aho nanao hoe: izay lazain’i Iaveh, hataoko avokoa?»


Hoy i Balaama tamin’i Balàka: «Mitoera ianao eo anilan’ny sorona dorana, fa izaho kosa hihataka; angamba ho avy hihaona amiko i Iaveh, ary na inona na inona hasehony amiko, dia holazaiko anao.» Dia lasa izy nankany amin’ny havoana anankiray mangadihady.


Na dia homen’i Balàka volafotsy sy volamena eran’ny tranony aza aho, dia tsy hahazo mandika ny tenin’i Iaveh, ka hanao na inona na inona, na soa na ratsy amin’ny nahim-poko, fa izay holazain’i Iaveh ihany no holazaiko.


Fa tsy mba i Kristy no tompoin’ny olona toy ireny, fa ny kibony, ary teny malefaka sy manodòka no entiny mamitaka ny tsy ampy saina.


Manao azy ho mahalala an’Andriamanitra izy ireo, nefa mandà Azy amin’ny asany, satria olona vetaveta sy manohitra ary tsy mahavita asa soa na inona na inona.