Nolevonin’ny afo ny zatovolahiny, ary tsy nahare ny hiram-panambadiana ny zatovovaviny.
Nomery 21:28 - Baiboly Katolika Fa nisy afo nivoaka avy tao Hesebona, Ary lelafo avy tao an-tanànan’i Sehôna, Ka nandevona an’i Ara-Moaba, Dia ny tampon’ny havoan’i Arnôna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 fa nisy afo nivoaka avy tao Hesbona ary lelafo avy tao an-tanànan’i Sihona ka nandevona an’i Ara-Moaba sy ireo tompon’ny havoana any Arnona. DIEM PROTESTANTA Fa nisy afo nivoaka avy tao Hesbôna, nisy lelafo avy tao an-drenivohitr’i Sihôna ka nandevona an’i Hara-Môaba, sy ireo tompon’ny havoan’i Arnôna. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa nisy afo nivoaka avy tao Hesbôna, nisy lelafo avy tao an-drenivohitr’i Sihôna ka nandevona an’i Hara-Môaba, sy ireo tompon’ny havoan’i Arnôna. Baiboly Protestanta Malagasy Fa nisy afo nivoaka avy tao Hesbona, Sy lelafo avy tao an-tanànan’i Sihona, Ka nandevona an’i Aran’i Moaba Sy ny tompon’ny havoan’i Arnona. Malagasy Bible Fa nisy afo nivoaka avy tao Hesbona, sy lelafo avy tao an-tanànan'i Sihona, Ka nandevona an'i Aran'i Moaba sy ny tompon'ny havoan'i Arnona. La Bible en Malgache fa nisy afo nivoaka avy tao Hesbona ary lelafo avy tao an-tanànan’i Sihona ka nandevona an’i Ara-Moaba sy ireo tompon’ny havoana any Arnona. |
Nolevonin’ny afo ny zatovolahiny, ary tsy nahare ny hiram-panambadiana ny zatovovaviny.
Noho izany, ny Tompo, Iavehn’ny tafika, haniraka faharerahana hamely ny mpiadiny matanjaka; ary eo ambanin’ny voninahiny, hisy afo mirehitra, toy ny afo amin’ny hain-trano.
Mibadabada i Hesebona sy i Eleale; re hatrany Jahasy ny feony. Noho izany midradradradra ny mpiadin’i Moaba, mangovitra ny fanahin’izy io.
Dia no hitan’ny olona i Moaba hisasatra eo amin’ny fitoerana avony, hiditra ao amin’ny fitoera-masiny izy hivavaka, nefa tsy hahazo na inona na inona.
hampirehitra afo ao ambonin’ny mandan’i Rahaba Aho, ka handevona ny lapany izany, eo amin’ny akoran’ady toy ny amin’ny andro iadiana, sy eo amin’ny rivo-mahery mitambolimbolina amin’ny andron’ny tafio-drivotra.
dia handefa ny afo ho ao amin’i Moaba Aho, ka handevona ny lapan’i Kariota izany; ary i Moaba ho faty ao anatin’ny tabataba be, sy ny akoran’ady, mbamin’ny feon-trômpetra.
ary ny kisolosolon’ny ranon-driaka izay mitsontsorika mankany amin’ny fitoerana Ara, sy mipaka amin’ny Amôreana.»
Izany no nanaovan’ny mpanao tononkira hoe: Midira ao Hesebona ianareo. Aoreno indray ka hamafiso ny tanànan’i Sehôna.
Nony maraina, nalain’i Balàka i Balaama, ka nentiny niakatra ho ao Bamôta-Baala, izay nahatazanan’i Balaama ny vodilalan’ny vahoaka.
Hoy i Iaveh tamiko: Aza manomboka ady amin’i Moaba, ary aza rafitra ady aminy, fa tsy hanomezako ho fanananareo ny taniny, na kely aza, satria i Ara efa nomeko ho fananan’ny taranak’i Lôta.
Fa hoy ny tsilo tamin’ny hazo: Raha marina tokoa àry, fa tianareo ny hanosotra ahy ho mpanjaka, dia avia ianareo, ka mialofa amin’ny alokaloko, fa raha tsy izany, aoka hivoaka afo ny tsilo milobolobo, ka handoro ny sederan’i Libàna.
Fa raha tsy izany, dia aoka i Abimeleka hivoaka afo ka handevona ny mponina ao Sikema mbamin’ny ankohonan’i Melao ary ny mponina ao Sikema mbamin’ny ankohonan’i Melao koa hivoaka afo ka handevona an’i Abimeleka.