Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 22:41 - Baiboly Katolika

41 Nony maraina, nalain’i Balàka i Balaama, ka nentiny niakatra ho ao Bamôta-Baala, izay nahatazanan’i Balaama ny vodilalan’ny vahoaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

41 Nony maraina dia nalain’i Balaka i Balama ka noentiny niakatra ho ao Bamota-Baala, ary tazany avy teo ny tapany amin’ny toby.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

41 Nony maraina dia nalain’i Balàka i Balahama ka nentiny niakatra ho ao Bamôta-Bahala izay nahatazanana ampahan’ny vahoaka israelita.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

41 Nony maraina dia nalain’i Balàka i Balahama ka nentiny niakatra ho ao Bamôta-Bahala izay nahatazanana ampahan’ny vahoaka israelita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

41 ARY nony maraina Balama dia nalain’i Balaka ka nentiny niakatra ho ao Bamota-bala, ka dia tazany tao ny olona hatramin’ ny sisin’ny tobiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

41 Ary nony maraina Balama dia nalain'i Balaka ka nentiny niakatra ho ao Bamota-bala, ka dia tazany tao ny olona hatramin'ny sisin'ny tobiny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

41 Nony maraina dia nalain’i Balaka i Balama ka noentiny niakatra ho ao Bamota-Baala, ary tazany avy teo ny tapany amin’ny toby.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 22:41
9 Rohy Ifampitohizana  

fa nanangana mpisorona izy io ho amin’ny fitoerana avo sy ho an’ny osilahy, ary ho an’ny zanak’omby nataony.


Nanorina ireo fitoerana avo ho an’i Baala izy, handoroany ny zanany amin’ny afo ho sorona dorana ho an’i Baala. Zavatra tsy nandidiako na nolazaiko akory anefa izany; na mba niditra tao an-tsaiko velively.


Tiako hofaranana ny amin’i Moaba, - teny marin’i Iaveh, - izay miakatra ho eo amin’ny fitoerana avony, sy manolotra emboka manitra amin’ny andriamaniny.


Fa nisy afo nivoaka avy tao Hesebona, Ary lelafo avy tao an-tanànan’i Sehôna, Ka nandevona an’i Ara-Moaba, Dia ny tampon’ny havoan’i Arnôna.


Namono ondry aman’ondry hatao sorona i Balàka, ka nampanateriny ho an’i Balaama sy ireo andriandahy teo aminy izany.


Hoy i Balaama tamin’i Balàka: «Anangano ôtely fito eto aho, ary manomàna vantotr’ombalahy fito sy ondralahy fito eo koa.»


Dia hoy i Balàka taminy: «Andeha hiaraka amiko ianao ho any amin’ny toeran-kafa, izay hahitanao azy nefa ny sisiny ihany no ho hitanao, fa tsy ho izy manontolo, ary any dia ozòny izy.»


Ravao hatrany am-potony ny fitoerana rehetra nanompoan’ireo firenena horoahinareo ny andriamaniny any an-tendrombohitra sy eny amin’ny havoana ary eny ambanin’ny hazo maitso rehetra eny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra