Nomery 21:21 - Baiboly Katolika Ary i Israely nandefa iraka ho any amin’i Sehôna, mpanjakan’ny Amôreana, hanao aminy hoe: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nandefa iraka ho any amin’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, ny Israely mba hilaza hoe: DIEM PROTESTANTA Naniraka olona nankany amin’i Sihôna mpanjakan’ny Amôrita ny Israelita nanao hoe: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Naniraka olona nankany amin’i Sihôna mpanjakan’ny Amôrita ny Israelita nanao hoe: Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny Isiraely naniraka olona ho any amin’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, hanao hoe: Malagasy Bible Ary ny Isiraely naniraka olona ho any amin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, hanao hoe: La Bible en Malgache Nandefa iraka ho any amin’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, ny Israely mba hilaza hoe: |
«Fanjakana amam-pirenena no natolotrao azy, ka nozarainao ho azy ireo ny faritanin’ireny, dia lasany avokoa ny tanin’i Sehôna, ny tanin’ny mpanjakan’i Hesebona, ny tanin’i Oga mpanjakan’i Basàna.
i Sehôna mpanjakan’ny Amôreana, i Oga mpanjakan’i Basàna, mbamin’ny mpanjaka rehetra tany Kanaana,
Mijanona eo amin’ny alokalok’i Hesebona ny mpandositra lany hery; kanjo misy afo mivoaka avy ao Hesebona, ary misy lelafo avy ao afovoan’i Sehôna; ka nandevona ny valahan’i Moaba, sy ny karan-dohan’ny zanaky ny fitabatabana.
avy any Bamôta, dia nankany amin’ny lohasaha izay ao amin’ny sahan’i Moaba, eo an-tampon’i Fasgà, izay manerinerina amin’ny efitra.
dia nony efa nandresy an’i Sehôna mpanjakan’i Amôreana, izay nonina tao Hesebona, sy i Oga mpanjakan’i Basàna, izay nonina tao Atarôta sy Edraia.
ka nalaintsika ny taniny, dia nomentsika ho zaratanin’ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasam-pokon’ny Manasita.
tany an-dafin’ny Jordany tao an-dohasaha tandrifin’i Bety-Fogôra, amin’ny tanin’i Sehôna, mpanjakan’ny Amôreana, nonina tao Hesebona, izay noresen’i Môizy sy ny zanak’i Israely tamin’ny nivoahany tany Ejipta.
Ireto no mpanjakan’ny tany resin’ny zanak’i Israely, ary nalainy ny taniny any an-dafin’i Jordany any atsinanana, hatramin’ny ranon-driakan’i Arnôna ka hatramin’ny tendrombohitra Hermôna, sy ny Arabaha manontolo any atsinanan’ny ony:
Renay ny nanamainan’i Iaveh ny Ranomasina Mena teo anoloanareo, fony ianareo nivoaka avy tany Ejipta; sy ny nanaovanareo ny mpanjakan’ny Amôreana roa lahy, tany an-dafin’i Jordany, dia i Sehôna sy i Oga, izay nataonareo anatema.
Nentiko ho any amin’ny tanin’ny Amôreana izay monina any an-dafin’i Jordany ianareo, ka niadian’ireny. Natolotro teo an-tananareo izy, nahazo ny taniny ianareo, ary naringako teo anoloanareo izy.
Ary hoy i Iaveh tamin’ny zanak’i Israely: «Moa tsy efa nanafaka anareo va Aho, tamin’ny Ejiptianina sy ny Amôreana ary ny taranak’i Amôna, mbamin’ny Filistinina?